• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 28, 2023

Efa nohavaozina ve ianao ?

Andro namoahana Jol 28, 2023

Te handeha hiala sasatra ve ianao ?Matetika ny fahavaratra no fotoana andehanan’ny ankamaroan’ny olona miala sasatra, indrindra noho ny hatsaran’ny toetr’andro. Ireny fotoana hanapahantsika fifandraisana ireny dia manampy ny saintsika haka aina sady hankafy fotoana manokana miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana. Amin’ny fiafaran’ny fialantsasatra dia feno indray ny bateriantsika, mahatsapa ho tafiomana sy vonona indray isika hiatrika ny asa aman-daraharaha, miaraka amin’ny hery vaovao sy fijery vaovao.Eny, zava-dehibe ny hoe havaozina ara-batana sy ara-tsaina isika, fa mihoatra noho izany ny havaozina ara-panahy. Izany no lazain’ity faminaniana ao amin’ny Testamenta taloha ity momba ny fiavian’i Jesosy : « fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko. » (Zakaria 3:8). Natsoina hoe « Rantsana » i Jesosy satria izy no nanome antsika ny Fanekena Vaovao. Nefa koa, ao Aminy no ahitanao izay ilainao rehetra mba iainana ny Fanavaozana ara-panahy eo amin’ny fiainanao, ilay rivotra madion’ny Fanatrehany izay manadio sy manavao anao isan’andro. Fotoana izao hihavaozana amin’ny Fanavaozany !Hivavaka isika : « Tompo o, misaotra Anao aho amin’ny Fanavaozana nomaninao ho ahy. Misaotra amin’izay hampianarinao ahy amin’ity herinandro ity. Omaniko ny foko handray dieny izao ary hiaina ny Fanavaozanao isan’andro eo amin’ny fiainako. Misaotra Tompo o ! Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.