🤔 Efa nodinihinao ve ?
Inona no andro tsara indrindra teo amin’ny fiainanao ?
Nieritreritra ela be aho rehefa nametraka an’io fanontaniana io tato ho ato. Satria maro dia maro ny andro “tena tsara” niainako.
-Ny nahaterahan’ny zana-drahalahiko voalohany.-Ny nivoahan’ny raki-kirako voalohany.-Ny fanasana ahy hihira teo anoloan’ny olona 70.000 tany Afrika.-Ny fanomezana natao tamiko: ilay clip “One Prayer” (Vavaka iray).… sy maro hafa koa !
Tena fotoana tsy hay hadinoina amin’ny fiainana, sa tsy izany ?
Rehefa namaky an’ireo angamba ianao dia nieritreritra hoe : "Kay! Sambatra izy. Tsy mbola nisy nanolotra fanomezana goavana tahaka izany ho ahy !" Na hoe : "Izaho tsy mbola niaina zavatra nahafinaritra toy izany !"
Fa anio, tiako ianao hanadihady amin’ny fo manontolo hoe : Inona no fotoana tena tsara indrindra tamin’ny fiainanao ? Izaho manokana dia nametraka an’io fanontaniana io tamin’ny fotoana tena nampalahelo ahy teo amin’ny fiainako. Nihena tanteraka ny heriko noho ny fahadisoam-panantenana lehibe niainako. Kanefa, tamin’izay aho vao tonga saina !
Hitako fa tsy afaka mahatsapa fifaliana isika, raha tsy vonona hiatrika tafio-drivotra. Satria :
-
Ny nahaterahan’ny zana-drahalahiko dia tao anatin’ny fotoana nisarahako tamin’ny olon-tiako, rava ny nofinofiko momba ny fanambadiana, ary efa volana maro aho no nihitsoka tanatin’ny fahakiviana.
-
Nivoaka ny raki-kirako rehefa nolavin’ny trano mpamokatra isan-karazany nandritra ny taona maro. Imbetsaka no nilazan’izy ireo hoe : “Tsy natao ho anao mihitsy ny mozika !”
-
Napetrany teo ambony sehatra goavana tany Afrika aho, nefa tamin’izay indrindra no fotoana maizina indrindra tamin’ny fiainako, ary efa nihevitra ary aho fa tsy ho tafavoaka intsony.
-
Vao avy nisy namaky ny trano fonenako tany Barcelone…. Maro ny zavatra simba, maro koa ny ranomaso latsaka. Ary tazako fa ho voatery aho nanafoana ny fandraisam-peo… Saingy, avy eo dia tonga tsy nampoizina ny fanomezana avy amin’ny olona samihafa, ka mbola nahazo lanja kokoa ilay clip-video ho ahy! Fantatro fa sitrapon’Andriamanitra izany !
Hitanao amin’izany fa tena afaka manamarina aho hoe : “Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana.” (Salamo 126:5)
Hoy ny bokin’i Jakoba : “ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana..” (Jakoba 1:2-3)
Noho izany, fifaliana no vokatra azo avy amin’ny ady !
Koa mifidiana anio mba ho feno fankasitrahana ! Satria : Ny fo mankasitraka dia mandroaka ny fahadisoam-panantenana !
Fahagagana ianao !
