• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 1, 2023

Efa nitahy ny hafa ve ianao androany?

Andro namoahana Jol 1, 2023

 

ry ianao? Inona no fanapaha-kevitra noraisinao? Manokatra ny findainao ary hijery raha naharay hafatra ve sa hiverina hatory satria tapaka ny jiro dia very ny fahazotoanao?…Ny fiainana dia feno fanapahan-kevitra. Ny apostoly Paoly dia nilaza : “ tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.” (1 Petera 3.9) Noforonina ianao mba ho fitahiana ho an’ny hafa, izay mitaky fandraisana fanapahan- kevitra maro :

  • Ny fanapahan-kevitra hiala amin’izay endriky ny ratsy rehetra
  • Ny fanapahan-kevitra te hitahy ny hafa
  • Ny fanapahan-kevitra hino fa efa voaomana ho anao ny fitahian’Andriamanitra, ary anjara lovanao izany.

Ry namako, rehefa mandray an’ireo fanapahan-kevitra ireo ianao dia manomboka mikorina eo amin’ny fiainanao sy ny hafa ny fitahiana. Arakaraka ny hitahianao ny hafa no mampitombo ny fitahiana eo amin’ny fiainanao !Te hiara-hivavaka amiko ve ianao ? « Tompo o, ampio aho hiala amin’ny ratsy rehetra sy izay tsy araky ny sitraponao. Omeo ahy ny fahasoavana handeha amin’ireo fitahiana sarobidy izay nomaninao ho ahy. Maniry aho mba ho fitahiana ho an’ny izay olona mifanena amiko ny fiainako, mba hahatsapany ny Fitiavanao sy ny Fanatrehanao izay mikoriana ato anatiko mba hahafahanao mikasika ny fiainan’izy ireo. Fenoy Anao aho Tompo o ! Amin’ny anaran’i Jesosy ! Amen »Zarao ny fitahian’Andriamanitra na aiza na aiza alehanao anio.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.