• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 24, 2023

👣 Efa niditra ny tany nampanantenaina ve ianao ?

Andro namoahana Nov 24, 2023

Inona ny sarimihetsika tianao indrindra ? Azoko antoka fa manana betsaka ianao…Ho ahy manokana, iray amin’ireo sarimihetsika tiako indrindra ny “Braveheart”. Fony aho mbola kely dia efa in-10 mahery angamba no nahitako izany ary nohenoiko tsy ankiato ny feon-kirany.Mitantara ny tantaran’i William Wallace izany sarimihetsika izany, ilay maherifo nanafaka ny fireneny tamin’ny famoretan’ny Anglisy, tamin’ny taonjato faha-15.Na dia teo aza ny mety ho fahadisoana ara-tantara na ny hamafin’ny ady, dia nitondra aingam-panahy ho ahy tokoa ny herim-po sy finiavan’ilay maherifo, ary koa ny fony feno fitiavana nahay nitarika vahoaka iray manontolo ho amin’ny fahafahana. Izany no antony nanomezan’izy ireo ny lohatenin’ity sarimihetsika ity hoe : Braveheart na “fo mahery”.Rehefa nomen’Andriamanitra an’i Josoa ny iraka hitarika ny vahoakan’ny Isiraely ho any amin’ny Tany nampanantenaina, dia hoy Izy taminy : « Mahereza sy mahatanjaha; fa hianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy » (Josoa 1:6).Mety hoe nila zavatra marobe i Josoa, saingy roa ihany no tena nilaina teo imason’Andriamanitra : ny ezaka sy ny herim-po.Ry namako, ny herim-po dia mamela anao hiditra ao amin'ny tanin'ny fampanantenana izay efa nomanin'Andriamanitra ho an'ny fiainanao. Rehefa manao ezaka ianao dia manokatra varavarana maro izany herim-po izany, mba hiainanao ny asan’Andriamanitra amin’ny andavanandronao.Mandritra ity herinandro ity, hizara fanalahidy 7 aminao aho, izay hanampy anao ho tonga mahery fo kokoa, ary hanao dingana mankany amin’ny anjara ho anao ao amin’Andriamanitra. Vonona ve ianao ?

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.