❤️ Efa natolotrao ve ny fonao ?
Tsindrin-daona ery aho hiaraka aminao mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ! Mahafinaritra tokoa ny hoe afaka mifandray isika mandritra io fotoana io ka tsy hoe hahatsiaro fotsiny ihany ny fahaterahana mahatalanjon’ny Mpamonjy fa afaka ny hiaina manokana (indray) io fahagagana io ao anatin’ny andro maromaro ho avy. Satria, eny, “Imanoela, mbola eo amintsika hatrany Andriamanitra”…!
Tadidinao ve ? Ilay hira mandeha isan-taona amin’ny vata fandrenesam-peo rehefa manodidina ny Noely ? Eny, “Last Christmas”-n’I WHAM mihitsy. Misy ireo mampiakatra ny haavon’ny feo rehefa maheno ilay hira, misy kosa ny mihiaka hoe : tsia!!!
Fa nahoana ary io hira noforonina tamin’ny 1984 izay tsy misy ifandraisany amin’ny Noely io akory no malaza be toy izany ? Araka ny zavatra hitako tamin’ny alalan’ny hirako dia lazaiko aminao fa ny hira milaza ny zavatra iainany no tena tian’ny olona.
Inona ary ny tena voalaza ao anatin’ny “ Last Christmas ” ? Raha ny marina dia hiram-pitiavana izy iny. Fitia tsy mifamaly raha ny marimarina kokoa. “Tamin’ny Noely tamin’ny taona lasa dia nanome anao ny foko aho … saingy ny ampitso, dia narianao indray izany.”
Tonga tety an-tany ihany koa Jesosy taona maro lasa izay, mba hanome ny Fony ho an’ny olona, saingy mialoha ny Fahaterahany dia nilazana izy hoe : « Tsy manana toerana ho anao izahay. »
«Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. » (Lioka 2:7).
Mitohy toy izao ny tononkira : “Mba tsy hampitomany ahy amin’ity taona ity dia homeko olona voatokana ny foko.”
Ianao koa dia afaka manome ny fonao “ho an’olona voatokana“ – dia Jesosy izany – amin’ity taona ity. Satria fantany hoe toy ny ahoana izany tsy raisina an-tanan-droa izany. Na teo aza izany dia nanapa-kevitra ny hijanona Izy. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao” (Jaona 3:16).
Koa rehefa mandre indray ny “Last Christmas” ianao amin’ny manaraka, dia aza ovaina fa manontania tena hoe : “Nanome ny foko an’ilay Jesosy marina ve aho ?”
Fahagagana ianao
