• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 1, 2026

Efa nanomana MIHOATRA LAVITRA ho anao tokoa Andriamanitra.

Andro namoahana Jan 1, 2026

Ahoana raha tena nanana drafitra bebe kokoa ho anao Andriamanitra?

Izaho mihitsy no efa nahita olona nanatona ahy ka nilaza tamiko hoe: “Mbola manana zavatra goavana nomaniny ho anao Andriamanitra!” Ary nony avy eo, dia manambara izany tamin’ny olon-kafa koa izy ireo. Ohatra ny tsy mampino izany, sa tsy izany?

Fa nefa, izany tokoa ny tena marina : Mbola manana MIHOATRA LAVITRA ho anao Andriamanitra !

Mazava ho azy fa manana drafitra ho an’ny “hafa” ihany koa Izy, saingy misy zavatra manan-danja tokony ho takatsika… ary inoako marimarina fa eo no mahatonga ny maro ho lavo.

Izao no voasoratra ao amin’ny Isaia: “Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao; Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao..” (Isaia 54:2-3).

Oh, raha misy milaza amintsika io andininy io, dia mampahery antsika tokoa izany ary mahatonga antsika hiandrandra ny zava-dehibe mety hitranga tsy ho ela.

Tsy voasoratra fotsiny anefa fa tokony “hampalalaka ny itoeran’ny laintsika” isika. Fa voalaza koa hoe : “Aoreno mafy ny tsima-dainao.”

Fantatrao ve ny dikan'izany?

Ny hoe "aoreno mafy ny tsima-dainao" dia midika hoe: ny finoanao dia tsy tokony ho safidy, fa tokony ho fandresen-dahatrao.

Rehefa miakatra ny tafio-drivotra dia TSY MAINTSY mahazo antoka Andriamanitra fa matoky Azy tanteraka ianao. Na dia maneso anao sy ny planinao goavana  aza ny hafa, dia tian’Andriamanitra ho azo antoka fa tsy miraharaha izany ianao, satria efa nametraka lalina ny “tsima-dain’ny finoanao” ianao. (Jereo koa ny Filipiana 2:14 )

Te hampahery anao aho anio. Mbola betsaka lavitra no efa nomaniny ho anao : Aza varimbariana, fa avelao Andriamanitra hiasa!

Eny, manana zavatra goavana ho anao Izy! Koa ampifalio ny Fony, ary avelao Izy hanatanteraka izany AMIN’NY ALALANAO.

Mirary taona vaovao feno fitahiana ho anao sy ny ankohonanao rehetra izahay.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.