• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 6, 2025

🔄Efa nanao fomba tsy nety ve ianao

Andro namoahana Okt 6, 2025

"Tsy tafiditra daholo ireto." Impiry ianao no nieritreritra an’izany, rehefa tsy nahazo toerana tao anaty koveta intsony ny lovia rehetra ?

Na dia nanandrana "nanototra" ireo aza ianao (eny e, mety hifanaraka ihany), dia ny antsasany ihany no voadio. Satria tsy voalamina tsara, tsy afaka mahatratra ny faritra maloto rehetra ny rano.

Mino aho fa tsy izaho irery no mahatsiaro ho voafandrika amin’izany. Tamin’ity indray mitoraka ity aza, rehefa niverina indray izany tamiko, dia toy ny nahita an’Andriamanitra mitsiky aho : "Fa impiry hanandrana an’izao ary ianao ity vao ho azonao tsara e?"

Eny, toy izany matetika no fitantanantsika ny fiainantsika. Ataontsika be loatra ny ao anaty fandaharam-potoana, mandray adidy fanampiny indray na dia efa "tsy zakantsika intsony aza", ary avy eo dia tsy afa-po satria tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra...

Ary mety tsy ny fandaharam-potoanao no tena feno tafahoatra, fa ny sainao, izay feno eritreritra maro sy ahiahy...

"Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy." (Matio 6.34)

Ajanony ny fanesehana tsy misy fanantenana, raha afaka mahazo ny zava-drehetra ianao ao amin’Andriamanitra.

Fa maninona no mbola mampitombo enta-mavesatra ao anaty fandaharam-potoana na ao anaty saina ? Satria isika te hitantana ny zavatra rehetra irery. Miankina amin’ny herintsika manokana isika mba hamahana ireo asa maro sy olana miseho.

Miantso mafy ny Tompo : "Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra;" (Salamo 46.10a)

Rehefa tsapanao fa ny fiainanao (toa ilay koveta ihany koa) dia efa nisy fitantanana tsy nety, dia ajanony kely izao anio izao ary mivavaha hoe : "Marina fa Ianao irery no Andriamanitra. Ary satria Ianao no Andriamanitra, dia mangataka Aminao aho hanampy ahy hahafantatra izay tena mety amin’ny fiainako sy izay tafahoatra. Afaho aho amin’ity tsindry napetrako tamiko ity sy amin’ireo ahiahy vokatr’izany. Amen."

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.