• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 15, 2025

Efa nameno solika ve ianao? ⛽️

Andro namoahana Okt 15, 2025

Efa niaina fotoana mahakivy ve ianao teo amin’ny fiainana amin’ny maha kristianina anao?

Misy fotoana otran’ny mahatsapa hoe manohitra antsika daholo ny zava-drehetra. Fotoana izay iezahan’ny fahakiviana hanafika antsika, ary tsapantsika fa mihozongozona ny finoantsika. Efa nitranga taminao ve izany?

Araka ny hitantsika andro vitsivitsy lasa izay, izao no lazain’ny Baiboly momba an’i Abrahama: “Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” (Romana 4:19-22)

Andeha hojerentsika izay lazain’ity andalan-teny ity momba an’i Abrahama:

  • Tsy kivy izy rehefa nijery ny zava-misy manodidina azy.

  • Tsy navelany hiditra tao am-pony ny fisalasalana, na dia nanohitra azy aza ny zava-drehetra.

  • Mifanohitra amin’izany, niha-natanjaka tamin’ny finoana izy.

  • Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, nisaotra Azy dieny mialoha.

  • Resy lahatra tanteraka ny amin’ny herin’Andriamanitra hahatanteraka ny teny fikasany Izy

.

Tao anatin’ny fahoriana, Abrahama dia nanapa-kevitra ny hanatanjaka ny finoany. Ary tsy indray mandeha monja no nanaovany izany. Eny, isan’andro isan’andro, amin’ny toe-javatra rehetra, dia nisafidy ny hino ny fampanantenan’Andriamanitra izy noho ny zava-misy hita maso.

Mitsangàna anio, mahereza amin’ny finoana, ary tohizo ny fitokianao Azy amin’izay hataony eo amin’ny fiainanao! Manavao ny herinao ny finoana mba hahafahanao mandroso. Toy ny solika avy any an-danitra izany =)

Ato am-poko sy anaty vavako manokana ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.