Efa nalefanao ve ny aro afonao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Efa nalefanao ve ny aro afonao ?

Efa niaina hain-trano ve ianao ? Mety hanimba zavatra maro ny vokatry ny afo.

Eny ry namako, ny fahavalo dia te hangalatra, hanimba ary handrava. Noho izany dia mandefa afo eo amin’ny fiainantsika izy hamokatra faharavana betsaka araka izay tratrany. Fa Andriamanitra mijoro eo anilantsika ary manome antsika fandresena amin’ny alalan’ i Jesosy. Izany no niainan’ireo mahery fon’ny finoana araky ny voalazan’ny Baiboly « dia namono afo mahamay izy ireo, ary afa-nandositra tamin’ny sabatra. Narary izy ireo ary nahazo hery indray.Nandritry ny ady dia nahery izy ireo ary nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa. » (Hebreo 11:34). Tam-pinoana no namonoany ny afo nirehitra teo amin’izy ireo !

Fantatrao ve fa azo atao ny mamono afo amin’ny alalan’ny afo ? Ny afon’i Jehovah eo amin’ny fiainanao dia mamono ny afo miredareda alefan’ny fahavalo hamely anao ! Eny ry namako, ny Tompo dia miady ho anao ary ny Afony ao anatinao dia mahery noho ny afon’ny fizahan-toetra tonga mamely anao.

Handeha hiara-hivavaka amiko : « Tompo o, misaotra anao aho fa miaraka amiko Ianao, ary amin’ny Anaranao dia manoatra noho ny Mpandresy aho. Fenoy ny afonao isan’andro aho. Aoka ny foko ho tia Anao tanteraka, ry Andriamanitro ô, mba ahitako ny fahagaganao amin’ny fiainako sy ny Tànanao miasa mamono ny afon’ny fahavalo hamely ahy. Misaotra ny amin’izay rehetra ataonao Tompo o ! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen ! »

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!