• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 7, 2025

Efa mihoatra ny ampy izany!

Andro namoahana Nov 7, 2025

“Izay hananako ankehitriny Tompo dia apetrako eo an-tongotrao!”

Isaky ny mihira io hira “Tu dis” (Hoy Ianao) an’i Lauren Daigle io aho dia mieritreritra hoe : “Tsy betsaka izany, Jesosy…!”

Ary rehefa izany dia toa mamaly ahy eo noho eo Andriamanitra hoe : “Tena ampy tsara izany kah!”.

Efa nisaintsaina ve ianao hoe : “Jesosy a, tiako ny ho mendrika indrindra fa nefa dia tsy nahomby matetika aho. Tiako ery ny hanana finoana lehibe kokoa fa dia roboka anaty ahiahy matetika aho”

….Ento izay hanananao! Apetraho eo an-tongotr’i Jesosy izay kely hanananao anio - satria sarobidy kokoa izany noho izay andrasanao!

Hevero ange hoe nanoloana an’i Goliata i Davida dia nihevitra hoe : “ Pfff, tena loza tsy roa aman-tany ity. Goliata dia nanam-pitaovana toy ny miaramila matihanina. Manana izay iriako hananana izy. Ny fiadiako dia kilalao: atsamotady. Tsy ho ampy mihitsy izany! Miandry ny fiofanako ho miaramila aho!”

Ny azo antoka dia tsy hanana ny fifaliana hamaky ilay tantara voalazan’ny Baiboly isika, ilay lehilahy “kely: toa an’i Davida izay nandresy ilay Goliata! Kanefa io tantara io dia mampahery antsika satria Davida dia nahay nampiasa izay teo am-pelatanany tamin’io fotoana io. 

Eny, antsamotady sy vato: …tena hoe vato kely! “Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.” (1 Samoela 17:50).

Ahoana no nahatonga izany? Tsy nisalasala i Davida fa ny hany fitaovana azony ampiasaina dia ho ampy! Satria fantany fa tsy hiady irery izy, dia hoy izy: “Fa izaho kosa avy hiady aminareo amin’ny anaran’i Jehovah Tsitoha!” (1 Samoela 17:45).

Ento eo an-tongony izay anao rehetra anio….ary fantaro fa eo anilanao mandrakariva Izy!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.