• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 31, 2023

Efa miakanjo tsara ve ianao ?

Andro namoahana Jol 31, 2023

Manao ahoana ianao rehefa miomana hamonjy fotoana manokana ? Izaho manokana dia tiako ny manao ny akanjoko tsara indrindra rehefa manana fahafahana hanatrika mariazy.Fantatrao ve fa ny fomba fitafintsika dia afaka mitondra fiovana lehibe amin’ny fomba fandraisantsika toe-javatra iray. Ny fanaovana akanjo ratsy na tsy mifanentana amintsika dia mety hahatonga antsika tsy hatoky tena. Rehefa manao akanjo tsara anefa isika dia mahazo aina tsara, toy ny manamafy ny fahamendrehantsika sy ny fahatokisantsika tena. Izay no antony tokony hisoloana akanjo hafa izay tena tiantsika rehefa manao akanjo tsy mampahazo aina antsika isika !Eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia antsoina koa isika mba hanavao ny fitafiantsika ara-panahy. Araky ny teny ao amin’ny Baiboly hoe : « Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’izay nahary azy. » (Kolosiana 3 :9-10). Eny ry namako, nesorin’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ireo fitafiana tsy mendrika rehetra tamin’ny lasanao, izay tamin’ny natioranao taloha. Nampitafiany ny voninahiny sy ny fitahiany ianao. Ary ankehitriny dia mitovy Aminy isika satria efa ao anatintsika ny toetrany !Isan’andro ianao dia antsoina mba hohavaozina amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ary hitafy ny Tenany sy ny toetrany. Nahoana raha mangataka Aminy dieny izao ? « Tompo ô, havaozy isan’andro aho ao Aminao, ao amin’ny fitiavanao, eo amin’ny Fanatrehanao. Tafio anao aho Tompo o, ary ampio aho mba hamela Anao hanavao ny fanahiko isan’andro mandra-pahafantarako Anao bebe kokoa. Amin’ny anaran’i Jesosy.Amen ! »Am-poko ianao ry namako

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.