Drafitra stratejika
Drafitra stratejika
Misy tantara anisanâny mahatsikaiky ahy ao anaty Baiboly ao. Tena mahaliana ange io mamaky Baiboly io ee, sa ahoana hoy ianao? đ
Anio dia tarihinâny Fanahy Masina aho hizara aminareo ny tantaranâny mpanjakanâi Syria izay niady taminâny zanakâIsraely (2 Mpanjaka 6:8-23). Ezahiko fintinina ihany fa tena manasa anao aho hamaky tsara azy io fa tena sady mampahery no mampihomehy ihany koa.
Nanao planina ny fanafihana ilay mpanjaka. NambaranâAndriamanitra anâi Elisa mpaminany anefa izay planiny rehetra ka nandamoaka avokoa. Sosotra indrindra izy (and 11) dia niteny taminâireo mpanompony hoe iza ianareo no mamoaka tsiambaratelo fa toa hainâireo zanakâIsraely daholo izay kasaina atao!! Dia namaly ny iray hoe : âTsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.â (and 12) đ
Eritrereto ange izany e, fa na inona na inona planinâny fahavalo hamonoana anao ka na any aminâny miafina indrindra aza dia hampahafantarinâAndriamanitra anao ho fiarovany anao. Aleloia!!
Dia tsy nijanona teo fa nandefa olona hisambotra anâi Elisa ity mpanjaka ity. Ary ny mpanomponâi Elisa vao nahita ireo miaramila nitoby manodidina azy ireo dia raiki-tahotra fa hoy Elisa taminy hoe : âAza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azyâ (And 16). Dia nampahiratinâAndriamanitra moa ny masony ary nahatazana izy fa âindro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.â (And 17).
Nijanona teo ve? Tsia đ . Nivavaka i Elisa nangataka hohanjambaina ny masonâireo ary izy tenany no nitarika ireto fahavalo ho any aminâny MpanjakanâIsraely. Tsy novonoinâizy ireo moa ireto mpiantafika ireto fa vao maika aza nomeny sakafo ary nalefany tany aminâny tompony avy eo. Dia hoy ny voasoratra hoe âKoa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syriaâ (and 23) đ
Anio aho manonona aminao, eo aminâio lalovanao io mihitsy dia ho ambaranâAndriamanitra aminao anie ny planinâireo fahavalo mikasa handrava anao ka tsy ahatratra anao izay zana-tsipika alefany. Ahiratra anie ny masonao ahita fa maro lavitra ny momba anao noho izay manaratsy na mialona na miandry ny faharavanao. Ary noho ny fiasanâAndriamanitra mahery vaika eo aminâny fiainanao dia tsy hanelingelina anao intsony izy ireo. Aminâny anara-maherinâi Jesosy Kristy no hanaovako izany vavaka izany. Amen!!!
Fahagagana Izy, ianao koa đđ