• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 16, 2025

Diso fanantenana amin'Andriamanitra ve ianao, ry namako?

Andro namoahana Apr 16, 2025

“Misy zavatra ve eo amin’ny fiainanao izay tsapanao fa tsy omen’Andriamanitra anao ary raha ny tena marina… tena mandiso fanantenana anao ve izany?”

Nandray lesona LEHIBE aho tamin'ny alalan'ny ohatra kely iray: Tamin'ity taona ity, nandany ny alina mialoha ny Taom-baovao tamin'ny fomba tena tsotra aho, nisintaka, niaraka tamin'ireo ray aman-dreniko. Ny ampitso, rehefa nitsangatsagana iny izahay dia nahita trano fisakafoanana vaovao. Izaho sy ny raiko – izay tia misakafo be😋 – dia nandresy lahatra ny reniko hanomboka ny taom-baovao amin’ny fety, hisakafo ao amin’ny trano fisakafoanana.

Tena tsara fanahy ilay mpandroso sakafo, nandany ny fotoanany taminay izy, ary nafilotra ny sakafo. Tamin’ny farany dia resy lahatra izahay sy ny raiko fa hahazo fanomezana kely na zavatra fanampiny. 😉

Saingy tonga ny taratasy misy ny vidin’ny sakafo – dia izay. Tsy haiko hoe nahoana fa nifantoka tamin'io hevitra hoe ahazo zavatra io izahay, ka rehefa hivoaka, dia diso fanantenana kely izahay. Hadalana tanteraka, sa tsy izany? Raha tokony nahatsiaro an'io fotoana mahafinaritra io izahay, dia nieritreritra zavatra izay tsy azonay.

 

Ny ampitso maraina, nijery ny faktiora aho dia nahatsiaro ho menatra...Satria ny tena zava-misy dia hay efa nomen’ilay mpandroso sakafo anay maimaimpoana ny zava-pisotro nalainay. 😳

 

💡 Tena Lesona ➡ Izay mijery afa-tsy izay tsy hananany... mamoy ny efa azony!

 

Fanontaniana sarotra: Ary raha toa ka nanao toy izany koa tamin’i Jesosy isika ka tsy mifantoka afa-tsy amin’izay heverintsika fa tsy ananantsika – ka hadinontsika izay efa nomeny antsika?

 

Fanomezana ho amin’izao fahafahana izao.. ho afaka amin'ny vesatry ny helotsika, satria Izy no nitondra izany 📖 “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, ary nivesatra ny fahoriantsika; Kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.” (Isaia 53:4-5).  Hitanao ve izay rehetra nataony ho anao sa variana mijery izay heverinao fa tsy ampy ianao?

 

🙏 Fahagagana ianao 💛

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.