Didim-pananana
Raha ianao izao no lazaina fa homena tany amina hektara maro, sy trano goavana ary fiara raitra dia mety toy ny ahoana re ny fihetsikao e? 😄 Mety tonga dia mitsinjaka be ianao dia ho latsa-dranomasom-pifaliana ohatra? Mety hikiakiaka ihany koa ho ren’izao tontolo izao ny hafalianao? Mety ho fenoinao izany vaovao izany ao amin’ny pejinao? Mety samy hanana ny fomba hihatrehany izany isika tsirairay.
Efa hitanao ve ity andinin-tsoratra masina ity? “Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” Romana 8:17
Mpiray lova amin’i Kristy…Woww!!! Iza moa i Kristy? Ilay Tompon’ny tompo. Izay Azy dia anao. Tsy hoe rehefa any an-danitra ihany fa dieny ety an-tany dia efa afaka misitraka izany ianao. Tsy mendrika ho ankalazaina ve izany? Mpandova ianao, no mpiray lova amin’i Kristy!!! Afaka maka minitra vitsy ve ianao misaintsaina hoe inona avy no an’i Kristy, dia ambarao fa efa anao koa izany! Aleloia!!
Ataovy azo antoka fotsiny hoe zanak’Andriamanitra ianao. Ny zanaka ihany no mandova fa tsy ny olona hafa ivelany. Zanak’Andriamanitra manana an’i Kristy velona ao anaty. Handeha anio ho ambarantsika fa zanaka isika ary mpandova an’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy. Aza menatra manambara izany eny amin’ny tontolo misy anao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕