“Calme” fotsiny 😊
“Calme” fotsiny 😊
Rehefa nandimby an’i Mosesy i Josoa dia tsy hoe tonga dia nilamina be daholo ny zavatra rehetra ary inoako marimarina fa tena feno fanontaniana marobe tao anatiny tao.
Tsy olona tsotsotra no nodimbiasany fa tena olona akaiky ny fon’Andriamanitra, ary tsy hoe fokontany iray koa no ho tarihiny fa firenena iray manontolo. Hain’i Josoa tsara ny toetran’ny zanak’israely.
Tsy lavitra izy raha nimenomenona ireo rehefa nanoloana ny ranomasina mena, na rehefa nitaraina noana sy mangetaheta ka nanomboka nanome tsiny an’i Mosesy. Tsy lavitra teo izy satria dia tena akaiky an’i Mosesy (Exodosy 33:11). Ny olona tena akaiky anao tokoa no tena mahalala ny lalovanao ary mahatsapa ireo mahafaly na mampanahy anao kokoa.
Nahatoky i Josoa tamin’ny fanompoany ary rehefa nodimandry i Mosesy dia niresaka nivantana taminy Andriamanitra sy nanome taridalana azy.
Anisany zavatra tena nanamarika ahy dia ny nilazany taminy hoe : “Mahereza sy matanjaha…” (Josoa 1:6 sy Josoa 1:9). Midika fa ho maro ny ady atrehina ary Andriamanitra rahateo tsy nilaza mihitsy hoe tsy hisy izany, fa nampahery azy Izy ary nanome toky fa “ momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.” (And 9).
Ny fanalahidy nampiasain’i Josoa teto dia ny fahatokiana tanaty fanompoana. Andriamanitra miahy ny ambiny rehetra.
Fantatr’Andriamanitra ny lalovanao, tsy misy miafina Aminy ny atrehinao fa anio Izy milaza aminao fa na tahaka ny ahoana ny mety fahitanao ny manoloana anao io: mety tendrombohitra be mila hianiana ve, sa trosa mila aloa, sa tokantrano mikorontana, sa aretina tsy misy fanafana hoy ny Dokotera….dia “mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao”.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕