“Be loatra" ve ny olanao?

"Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah.” (Jereo II Tantara 20 : 3)
Tiako ny fitantarana ny fihetsik’i Josafata eto : "Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah.” Tahaka izany koa ve no ataonao rehefa sendran’ny fotoana mampitaintaina? Rehefa sarotra avokoa ny zavatra rehetra?
Mino aho fa tena “ketraka" tokoa i Josafata rehefa nahafantatra fa tsy olana iray goavana ihany no tsy maintsy natrehiny, fa telo be izao! Eny, tonga hanafika azy ny miaramilan’ny Amonita, izay efa tena nampatahotra! Fa tamy hanafika an’i Josafata ihany koa ireo miaramilan’ny Moabita sy Edomita!
Mazava ho azy fa tsy midika inona amintsika akory ny anaran’ireo miaramila ireo. Fa rehefa avy natory indray alina tany an’efitra dia tsapako fa hita avy any alavitra be ny fahatongavan'izany miaramila izany. Tena mampatahotra ny nieritreritra fa tsy afa-mandositra moramora ny tena, fa tsy maintsy tazana.
Sady ny fahitana ilay andiana antoko miaramila telo miaraka manatona tena! Aiaiay…
Mety tahaka izany koa no zavatra iainanao. Tsy olana iray ihany no mahatonga anao tsy hahita tory, fa olana maro samihafa! Ketraka noho ny zava-misy ianao! Dia efa misy hafa sahady tamy hanatona anao…
“Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah.” Tena tiako loatra izany teny izany! Natahotra ihany koa i Josafata! Fa izany tahotra lehibe izany, tonga dia nentiny teo amin’Andriamaniny, izay lehibe lavitra!
Ento eo anatrehan’Andriamanitra ny tahotrao lehibe, fa Izy no hanafaka anao tanteraka amin’izany.
Raha amin’ny fijerin’olombelona dia tsy ho nandresy mihitsy i Josafata! Telo hiady amin’ny iray, tsy mety mihitsy izany! Raha amin’ny fijerin’olombelona, ianao ihany koa dia tsy handresy mihitsy! Saingy rehefa mialoka amin’Andriamanitrao ianao dia minoa fa ho tanteraka ny zavatra tsy mampino, ny zava-mahagaga!
Izany no niseho tamin’i Josafata… satria tamin’ny farany dia ireo andiana miaramila telo ireo ihany no nifamono - iza no ho nanam-po ny amin’izany fiafarana izany? - ary nivoaka ho mpandresy i Josafata! (Jereo II Tantara 20:23-24)
“Be loatra” ve ny olanao, manana zava-mahagaga “mihoatra” noho izany foana koa Andriamanitra.

