Be loatra ho anao ve izany amin’izao fotoana izao ? 🙇🏻♀️
“Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;” (2 Korintiana 4:8)
Izany no nosoratan’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintiana. Ary tena marina ny teniny ! Satria ny fiangonana tao Korinto dia niatrika olana maro : fifandirana, fisalasalana momba ny finoana, ary indraindray aza fisalasalana momba ny fahefan’i Paoly. Toa mahazatra anao ve izany ? Mahatsapa ve ianao fa tsindrian’ny olana avy amin’ny lafiny rehetra ? Fa toy ny manery anao ny fiainana - amin’ny adin-tsaina, tsindry, tsy fahazoana antoka ?
Ny zavatra tiako amin’i Paoly dia tsy manafina ny zava-misy izy. Ambarany mazava ny marina :
“Voageja manodidina izahay”… 😟 Lehilahin’Andriamanitra izy, nefa milaza am-pahatsorana fa tsy afa-bela amin’ny olana. Tahaka ahy sy ianao !
Ary mbola hoy izy : “Very hevitra nefa tsy mamoy fo.” Izany dia tena miteny amiko. Azo antoka fa efa niaina zavatra mitovitovy amin’izany koa ianao. Saingy tsy mijanona amin’ny olany i Paoly : Hitany ary ambarany ny tsy hita maso ao anatin’ny hita maso. 🙌🏻
Toy izany koa rehefa hoy izy : “Tsindrian’ny olona avy amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy potika.”
Ary mbola manampy izy tatỳ aoriana hoe : “Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana…” (2 Korintiana 4:17)
Angamba hoy ianao : “Paoly ô, toa tafahoatra izany, sa tsy izany ?” Ahoana no ahafahany milaza izany ? Ny valiny dia ao amin’io toko io ihany :
“tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita;” (2 Korintiana 4:18)
Hita maso ny olanao, fa tsy hita maso Ilay mitondra ny vahaolana.
Ary manasa anao aho hampifantoka ny fijerinao Aminy. Satria Izy no nanao izao teny fikasana izao : “Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao.” (Isaia 49:8)
Ho avy ny andronao. Izany no mahatonga anao afaka manantena. Eny, mbola hahita ny fahagaganao ianao - koa manomboka anio dia mahaiza miaina ao anatin’ny fanantenana !
Fahagagana ianao!