BE HEREHINA
Misy fotoana isika tena hoe be atao be ka indraindray aza dia adino ny misakafo ohatra fa tena seriny tao nandritry ny tontolo andro.. Rehefa iny isika somokotra be iny no mahita olona tsy dia tena mivaky loha loatra na tsy manampy antsika dia mahasosotra antsika…Fantatrao angamba ilay tantaran’i Maria sy Marta e? Tonga tao amin’izy roa vavy ny Tompo. Dia tsy ho karakaraina kosa aza ve? Tsy diso velively izany fa mila mahay manavaka ny hoe maika sy tena zava-dehibe.
Nisomebiseby i Marta nikarakara tao ambadika fa i Maria koa nitoetra teo an-tongotry ny Tompo nihaino Azy. Lioka 10:38-42 “ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony. Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy. Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao; nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.”
Tsy ratsy ny mikarakara vahiny tonga ao aminao fa mila mahay manararaotra kosa isika amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Tsy isan’andro Izy no teo. Mampatsiahy ahy ireo olona be erehina rehefa tokony ho any am-piangonana. Be asa aho fa aleo aloha hamita an’izay… Amin’ny taonina ny lamba tokony ho sasana fa io ihany aho no afaka… efa mivoaka foana aho isan’andro fa aleo kosa aho haka aina eee sns sns… Inoako fa tsy ianao izany fa ianao kosa ireo hanisan’ny mifidy ny anjara tsara dia ny eo an-tongotry ny Tompo.
Mahaiza manararaotra ny fanatrehan’Andriamanitra. Na amin’ny fotoana hatokanao manokana ho Azy sy ianao irery izany, na ny fotoana any am-piangonana. “Aza mahafoy ny fiaraha-mivavaka” hoy ny Hebreo 10:25
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕