• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 21, 2025

🧐 Azonao ve Andriamanitra?

Andro namoahana Jon 21, 2025

Fantatrao ve hoe nahoana no mikorontana matetika ny fiainanao?

Avelao aho hamaly anao avy hatrany, fa izany indrindra no mitranga amiko.

Mamafy zava-manahirana eo amin’ny fiainantsika isika satria misy tsy azontsika.

Fa, inona ilay tsy azontsika ? Ny tsy azontsika dia ny fomban’Andriamanitra, tsy takatsika ny fomba fihetsiny, na ny fotoana iasany, ary matetika, tsy azontsika mialoha hoe nahoana Izy no manao “toy izany”

Diso ve aho? 

Ary ao anatin’ny tsy fahampian’ny fahatakarantsika dia matetika isika no miezaka - amin’ny fomba rehetra - ny hanaraka ny lalantsika manokana sy handray fanapahan-kevitra manokana. Ary izany rehetra izany dia miteraka korontana.

Inona anefa no mifanohitra amin’izany? Inona no tokony ho fihetsiky ny fonao mba hahatsapanao fiadanana? Izao no atao  : Tsy miezaka ny mahatakatra ny zava-misy fa manohy mandroso amim-pahatokiana fotsiny! Oay, tena fanamby lehibe, sa tsy izany?! 

Mba hiaina ao anatin’ny fahatoniana, aoka isika hianatra hamotsitra na dia tsy misy valiny aza—amin’ny fahatokiana lalina!

Ao amin’ny Salamo 143:10  isika dia mahita vavaka mafonja manao hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro;” (Salamo 143:10).

Vonona ny hanao izany vavaka izany ho an'ny tenanao manokana ve ianao anio? Ireo fanontaniana rehetra ireo, ireo fandinihan-tena ireo, io famotsorana io, mba hianarana hatoky sy hanambarana hoe: “Tompo î, te hiaina araka izay sitrakao aho”!

Ny fiadanana izay azonao amin’izany dia tena azoko antoka fa mety aminao! Ny torohevitro: Atsaharo ny manapa-kevitra irery ary avelao ny tenanao hotarihin'Andriamanitra 100%


Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.