Azafady
Ahhhhhhh…… anisan’ny tena fizahan-toetra afaka ataoko hoe mamay ny famelan-keloka. Mamay satria na isika aza no nanao ny tsy nety dia sarotsarotra ilay miteny hoe “azafady” sao heverin’ny ankilany fa malemy na tsy misy tombam-bidy. Maika moa fa hoe isika no iharan’ny tsy nety… Eny e, misy toe-javatra mety hoe mora kokoa ny mamela noho ny hafa fa amin’ny ankapobeny dia tia manamari-tena sy miaro-tena ny olombelona mba tsy hiseho ho ratsy na malemy imason’ny hafa.
Kanefa hoy ny Kolosiana 3:13 “Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” Teboka! 😄 Efa hain’ny Tompo ange ny toetrantsika eee, izay ny antony hilazany io teny io. Fantany fa handalo zavatra mahasosotra isika fa manasa antsika Izy handefitra sy hamela heloka.
Mety hiteny ianao hoe tsy hainao mihitsy ny natao ahy!!! Afabaraka ange aho e!!! Very vola ange aho e!!! Maty mihitsy ange ny havako noho ny nataony eee!!! Eeeehhhhh…. azoko kah, na mety tsy haiko amin’ny hatsipiriany aza fa efa nandalovako tsara koa anefa ny ambaratonga maro. Ary mbola mianatra aho. Fa ato am-poko hoe izaho aza moa, izay nanao ratsy, mbola hamindrany fo isa-maraina, namoizany ny ainy mihitsy… iza moa aho no tsy handefitra sy hamela heloka? Narary Azy koa ny nihatra taminy fa noho ny Fitiavana dia nataony. Ataoko fa tsy lehibe noho Jesosy aho.
Ahoana moa raha atomboka izany anio?
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕