Aza varimbarina 👀
Fantatsika rehetra izao:
Misy an’ireo zavatra tsy maintsy atao, toy ny fanaovana kaonty izay matetika ahemotra foana… 🤭
Ary misy ireo nofy lehibe kokoa, izay mirehitra ao am-pontsika. ❤️🔥
Fa ho an'ny izy roa ireo dia tsy maintsy manomboka ianao…
Roa herinandro talohan’ilay “Conférence des Miracles” lehibe (tany Alemaina), dia nahatsapa aho fa nihazakazaka be ny fotoana. Ary imbetsaka aho no nandre ny Tompo nibitsibitsika hoe:
"Koa mifantoha tanteraka amin'izany."
Mazava ho azy fa te hanao izany aho, saingy tao anatiko, dia nandre ilay feo kely niezaka nandresy lahatra ahy aho hoe: “Tsy hahavita mihoatra noho izao intsony aho, sa tsy izany?” 😮💨
Rehefa nodinihina akaiky anefa dia tsikaritra hoe firy minitra izay no lasa—indraindray ora aza- kanefa tsy hita akory ny zava-bita: Fijerena horonantsary eny atsefatsefany, fanadiovana ela loatra ao an- dakozia, fivezivezena mankany an-tsena kanefa ny vata fampangatsiahana efa feno…
Na koa, mandany fotoana amin'ny zavatra mahafinaritra: Amin'izao fotoana izao, mahafinaritra ahy ny mirakitra horonantsary ao amin’ny Instagram. Faly aho fa afaka mampahery olona maro be! Saingy mila adiny iray na roa ny fanomanana “horonantsary iray fohy kely fotsiny”… Tamin'izay no nandrenesako ny Tompo nibitsibitsika moramora teo an-tsofiko hoe:
Sarobidy ary zava-dehibe io asa io, nefa izao ve no fotoana mety?
Ka anio, te-hametraka izany fanontaniana izany aminao koa aho:
“Sarobidy sy zava-dehibe ny ataonao… fa anio ve no fotoana mety?”
Mahatsapa ve ny ao anatinao fa misy zavatra hafa tokony hatao laharam-pahamehana?
Ny Tenin'Andriamanitra dia manome anao ny valiny:
"Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao." ( Ohabolana 4:27).
Arak’izany, manasa anao aho hisaintsaina hoe: Inona no zava-dehibe anio? Ary… inona no mbola zava-dehibe kokoa?
Fahagagana ianao! 💛