Aza miverin-dalana mihitsy izao
Efa niainanao izany hoe manana tetikasa ianao, ary mientanentana satria afaka hanomboka amin’izay, nefa tampoka teo dia nisy zavatra nitranga izay nangalatra ny fifalianao rehetra?
Mamelà ahy hilaza aminao zavatra iray izay tokony tadidinao foana : NORMAL IZANY. Tokony hanahy ianao raha toa ka milamina tsara foana ny zava-drehetra!
Ny ohatra lehibe indrindra azoko omena anao anio dia i Jesosy mihitsy.
Alaivo sary an-tsaina hoe any an-danitra Izy, dia mahita ny fijaliana eto an-tany, ary miteny amin'ny Rainy hoe: "Avelao Aho hanampy ny olombelona. Avelao Aho hakany amin'izy ireo, mba hahatakarany fa misy Ianao! Te hitia azy ireo fotsiny Aho!" ❤️
Satria ny hany drafitr'i Jesosy dia ny hanao soa ho antsika.
Fa hatrany am-piandohana: "Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika." (Isaia 53:3)
Tena mahatsiravina ny natao an’i Jesosy. Tsy heverinao ve fa afaka niverin-dalana fotsiny Izy? Azony natao tsara ny nivavaka hoe: “Ray ô, efa ampy izay. Hody aho. Tsy misy dikany ny planiko.”
Nivoaka nitsangantsangana aho indray andro ary tampoka teo dia nilatsaka ny orana. 🌧️🌂 Nahita olona niverin-dalana aho izay nieritreritra hoe: “Inona no antony hitsangatsanganana amin'izao toetr'andro izao?” Nefa izaho, dia nanohy ny diako aho, ary tamin'izay fotoana izay, dia napetrak'Andriamanitra tao am-poko ireto teny ireto ho anao:
“Aza matahotra ny rivotra manohitra. Aza matahotra ny orana. Fa izany no manomana ny tany ho an'izay tiako hatao aminao sy amin'ny alalanao. Ary amin'ny fandehanana amin'ity orana ity no hiainanao ny fitahiako tsy manam-petra.”
Anio dia te-hamporisika anao aho mba handroso foana na ahoana na ahoana ! Nanohy ny diany i Jesosy - ary noho izany, dia afaka nanome anao ny fiainana mandrakizay Izy!
Raha ny amiko, dia nanohy ny diako aho - ary tao anatin'izany orana izany, dia nametraka eritreritra sarobidy tao am-poko Andriamanitra.
Fantatrao ve ny fitahiana nomanin'Andriamanitra ho anao rehefa manohy ny dianao ianao? Te-hivavaka miaraka aminao amin'ny foko manontolo an’ity andininy manaraka ity aho : “Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.” (Salamo 138.8)
Aza miverin-dalana mihitsy fa mandrosoa hatrany !
Fahagagana ianao !