🙏 Aza mivavaka tahaka ny mpihatsaravelatsihy!

Omaly isika dia niresaka momba ny andinin-teny manan-danja iray manazava ny fomba ahafahantsika mankany amin’ilay “Toerana Miafina”, mba hihaonana amin’Andriamanitra sy hanokanana fotoana irery miaraka Aminy.
Tsotra ihany io andinin-teny io kanefa ahitana singa manan-danja maromaro, izay hodinihantsika mandritra ny andro manaraka eto.
Tahaka izao no fiantsoan’ilay andian-teny manan-kery anao : “Fa ianao kosa, raha…” (Matio 6:6). Ireo teny telo ireo dia maneho mazava ny fahasamihafan’izay nolazain’ny Tompo teo aloha sy izay asainy hataonao manokana.
Ao amin’ilay andininy eo aloha kely, manambara izao Jesosy : “Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.” (Matio 6:5)
Eny, tsy maintsy mifanohitra tanteraka amin’ny fivavaky ny mpihatsaravelatsihy ny fivavaka ataontsika! Ireto misy olana 3 ialana rehefa mivavaka:
-
Ny fihatsarambelatsihy, izay midika hoe ny tsy fisian’ny fahamarinana anaty vavaka. Ny mpihatsaravelatsihy dia mifantoka amin’ny tenany ihany, ary tsy manokatra ny fony: mifanohitra amin’izany no tian’Andriamanitra ataontsika rehefa mivavaka.
-
Ny vavaka am-pahibemaso MBA ho hitan’ny hafa. Tsy ilay vavaka am-pahibemaso no olana, izay azo lazaina hoe vavaka mahery. Fa ilay tanjona tiana ahatongavana no olana : tsy mitady ny hiresaka amin’Andriamanitra ny olona manao izany, fa mba te ho hita fotsiny. Ny vavaka ataony dia fomba iray hahitan’olona azy.
-
Ny fankasitrahana avy amin’olona. Tsy mamaly ny vavaka ataony Andriamanitra, satria araka ny nolazain’I Jesosy : “efa azony ny valim-pitiany.” Eny tokoa, nitady ka nahazo fankasitrahana avy amin’ny olona izy ireo tamin’ny alalan’ny vavaka nataony. Tsy hamaly vavaka Andriamanitra satria tsy mba misy finoana anatin’izany vavaka izany.
Ny fitandroana ny endrika ivelany ataon’ireo mpihatsaravelatsihy dia mahatonga ny vavaka ataony ho zava-poana. Manampy trotraka ny hadisoany koa izany izay efa hamafisin’ny endrika ivelany tsy marina naorin’izy ireo sy ny fiderana omen’ny hafa azy.
Ry namako, mety ho olana ho anao koa ve ny iray amin’ireo teboka ireo?
Mino aho fa amin’ny fotoana iray, azontsika atao ny manova ny fotoam-bavaka ho tahaka ny asa fisehoana ivelany, na fahazarana mba hahazoantsika aina na koa fisehoana ivelany hoe mivavaka eo anatrehan’ny hafa, saingy tsy manantena ny hanokana fotoana miaraka amin’Andriamanitra akory, na koa hahita ny fahagagany.
Manasa anao aho haka minitra vitsivitsy irery miaraka amin’Andriamanitra, mba hivavaka sy handinika ny toe-ponao amin’izany lafiny izany. Esory avokoa izay tsy fahamarinana rehetra mety ho tsapanao rehefa manatona an’Andriamanitra ianao.
Fahagagana ianao!

