• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 10, 2025

๐ŸŽ‰ Aza mitsaoka an-daharana izany mihitsy !

Andro namoahana Jan 10, 2025

“Aaaaah, tena leo aho e!”

Efa nampoizinao ve hoe izaho no hiteny toy izany eto am-panaovana firaketana ho anao?Kivy tanteraka aho tamin’izay. Tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny ny firaketana nataoko, tapatapaka ny fitaovana fihainoako ary nahakizitina ahy daholo ny zava-drehetra.Efa niaina zavatra toy izany ianao?Tsapako toy ny hoe nijoro tao aorinako Andriamanitra ka niteny an’ilay hitantsika ao amin’ny Josoa 1 : 9 hoe : “ Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao..”Toy ny naheno ny feony izany aho miteny hoe : “ Raha ny eritreritrao, fa maninona ianao no leo ?”Fanontaniana tena tsara izany. Inona moa izany no antony mahakivy ahy ?

Tamin’io fotoana io, tonga saina aho hoe hay nialona an’ireo olona manana fitaovana tsara kokoa noho izaho aho. Ireny “olona hafa” ireny, sady manana studio milamina, ary misy mihitsy aza manampy azy amin’ny firaketana.Ny tena marina : very ny fifantohako amin’ilay tanjoko - ianao ! Lasa nifantoka loatra tamin’ireo zavatra tsy nananako sy tsy nilamina aho, ka adinoko ilay tena antony nanaovako izany hoe “ho an’iza”...Rehefa nahatsiaro izany indray aho, dia niverina ny filaminan’ny foko!“Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao. ” (Josoa 1:9)Mety mila mandre izany hafatra izany ianao anio hoe ny zava-tsarotra atrehanareo dia tsy antony tokony haharesy anao na hampitahanao tena amin’ny hafa.. Samy manana ny adiny ny tsirairay. Fa samy manana koa ny “iraka” nampanaovina azy avy – iraka manokana.Mandiniha tena  indray anio: Nahoana ianao no kivy? Sao very ilay tena tanjonao, ka izany no mahatonga ny fonao ho sosotra sy kivy ?Na i Paoly aza niatrika izany, fa nanapa-kevitra izy ny hifikitra amin’ny tenin’Andriamanitra, ary tokony ho toy izany koa ho isika : “Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3 : 13-14)

Tadidio fa Andriamanitra dia manana iraka manokana ho an’ny fiainanao. Aza avela hanakana anao amin’ny lalanao ny fahakiviana!Ianao dia fahagagana !

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.