Aza mitady fanampiana amin'ny toerana tsy mety!
Iza ianao?
Ho faly aho ahafantatra anao bebe kokoa, satria lasa zava-dehibe teo amin’ny fiainako ianao! Ary rehefa manana fahafahana hihaona amin'ireo mpikambana ao amin'ny "fianakavian’ny fahagagana" aho mandritra ny fitsidiako, dia fifaliana ny mandre ny fijoroana ho vavolombelona samihafa ataon'izy ireo!
Indray andro, nisy vehivavy nilaza tamiko tamim-pihomehezana hoe:
"Tsy mampino, fa alohan'ny hijeren'ny vadiko ahy ny maraina dia te hihaino anao miteny aloha izy." 😅
Soa ihany fa afaka nihomehy momba izany ity vehivavy ity, satria fantany any anatiny any hoe: “Tsy ahazo ny tena fahafaham-po mihitsy aho raha miankin-doha be loatra. Hanantena manontolo an’Andriamanitro aho ary Izy irery ihany”
Ary, na manambady ianao na mpitovo, na mpianatra na misotro ronono, dia marina fa:
Izay manantena ny ZAVATRA REHETRA avy amin'Andriamanitra dia tsy hanan-java-mahory!
Nampianatra ahy zavatra betsaka momba izany ny tantaran’i Asa Mpanjaka!
Nandresy ny tafika Etiopiana izy. Na dia teo aza ny miaramilany efa za-draharaha, dia fantatr’i Asa fa tsy ho vitany ny handresy raha tsy amin’ny fidinan’Andriamanitra an-tsehatra ihany. Dia nivavaka izy hoe:
"Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.." (2 Tantara 14:10).
Nampihetsi-po an’Andriamanitra izany vavaka izany. Nomeny an’i Asa ny fandresena!
Nahoana anefa i Asa no tsy natoky an’Andriamanitra intsony rehefa niseho ny fandrahonana manaraka?
Nahoana izy no nitady fanampiana tamin’ny mpanjaka hafa?
Tsy nisalasala nanohitra azy i Hanany mpaminany ka nanao hoe:
“Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.” (2 Tantara 16:7).
Mety hieritreritra ianao hoe: “Raha tsy misy manampy ahy, dia tsy hahomby aho…” fa Andriamanitra kosa dia miditra an-tsehatra: “Tsy afa-manampy anao va aho?”
Tsy ilaina ny miantehitra amin’ny fanampian’ny hafa rehefa eo aminao ilay TOKANA izay mahay ny zava-drehetra. Mamporisika anao aho hisaintsaina izany fahamarinana izany. Avelao hiasa ao am-ponao izany. Dia mitsangàna fa tsy hoe manohana anao ny hafa, fa satria ny Tsitoha no manohana anao!