• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 22, 2025

🛡️Aza mino izany!

Andro namoahana Jol 22, 2025

Araka ny hevitrao, mety ho firy izao ny isan’ny lainga sy fanehoan-kevitra diso ao an-tsainao amin’izao fotoana izao?

Ny fahavalo dia antsoina hoe : “rain’ny lainga”. 

Ny tanjaky ny heriny dia eo amin'ny famoronana fisafotofotoana amin'ny alalan'ny lainga misesisesy mikendry ny olona hino zavatra diso.

Tadidinao ve ilay tantaran’ilay elefanta iray notantaraiko fotoana vitsivitsy lasa izay? Hatry ny fony izy mbola kely dia nofatoran’ny tompony tamin’ny andry hazo kely izy mba tsy ahafahany mandositra mandritra ny alina.

Taorian’ny andro maromaro niezahany nanafaka ny tenany, dia takatr’ilay elefanta kely ihany tamin’ny farany fa tsy mety vaky ilay tsato-kazo ary tsy ilaina intsony ny miezaka handositra. 

Rehefa nihalehibe anefa ilay elefanta, dia nanana ny hery ilaina mba ahafahany manala io andry hazo kely io, nefa tao an-tsainy dia mbola nino foana izy fa tsy vitany izany... Ka dia nijanona nifatotra teo foana izy.

Izany koa matetika no mahazo antsika. Voafatotry ny lainga azo esorina mora foana isika , nefa ny saintsika tena mbola mino izany. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza amintsika hoe: “Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2)

Fanasana anao hijery ny fiainanao hiova tanteraka izany! Hoy ity andalana manaraka ity:

  • Aza misaina toy ny hafa

  • Avelao ny tenanao hiova amin’ny alalan’ny fanavaozana ny fomba fisainanao.

  • Fa amin'izay dia ho fantatrao tsara kokoa izay tena sitrapon'Andriamanitra.

  • Ary hifaly amin’izany ianao, satria mahafinaritra sy tonga lafatra izany.

Ry namako, te hanova ny fomba fisainanao sy ny fiainanao manontolo Andriamanitra!

Olona afaka ianao amin’ny anaran’i Jesosy.

Fahagagana ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.