• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 4, 2025

Aza mino azy ireo!

Andro namoahana Des 4, 2025

Raha tamin’ny fihetseham-po sy hevitra no nitondrako ny fiainako…

… Vonjeo, asa izay ho toerana nisy ahy ankehitriny! Raha dinihana lalina kokoa : “Raha ataoko mifototra amin’ny hevitro sy fihetseham-poko ny hoaviko, angamba dia zava-doza…”!

Satria tsy sahaza foana ny “eritreritro”. Ianao koa mety hahatsikaritra izany amin’ny fiainanao manokana. Raha ny eritreritr’Andriamanitra momba anao… mety inona avy izany?

“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.” (Jeremia 29:11)

Koa nahoana no manome vahana ny hevitrao manokana ianao mihoatra noho izay ambaran’Andriamanitra anao?

Imbetsaka tamin’ny fiainako aho no nieritreritra fa nesorina tamiko avokoa ny zavatra rehetra… indrindra tamin’ny 2017, ilay taona nampitsaharako hatramin’ny asako mba hikarakarako raharaha.

Rehefa nandao ahy ilay fofombadiko - mba hanambadiany vehivavy tanora kokoa - (eny, fantatro koa izany ratra izany), dia tsy namela ahy miaraka amin’ny fo vaky fotsiny izy.

Fa koa fahaketrahana lalina izay nahatonga ahy hahatsapa izay rehetra very, ny raharaha niriko fatratra, ny mozikako, ny asako, ny namako… Fongana ny nofinofiko rehetra tao anatin’ny indray mipi-maso !

Ka raha mbola nibanjina hatrany ny tsy fahombiazako rehetra aho, dia tena lavo tanteraka tao. Saingy noraisiko ny fanapahan-kevitra - somary tara kely, eny, kanefa mbola ara-potoana - ny hanokana ny heriko farany hanome lanja bebe kokoa ny tenin'Andriamanitra noho ny hevitro manokana! Tamin’ny alalan’izany Teny izany no nanomezany ahy indray hoavy feno fanantenana, araka ny toky nomeny!

“Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.” (Ohabolana 4:23)

Indraindray ny fampiharana io andinin-teny io dia tahaka ny fanatanjahan-tena matihanina. Fa ambarako anao, isaky ny avy manao fanatanjahan-tena isika, dia tena mahazo aina!

Manomboka izao dia omeo vahana kokoa ireo fanomezan-toky nataon’Andriamanitra ho amin’ny hoavinao sy ilay fanantenana tiany hisitrahanao, mihoatra noho izay teninao manokana. Na dia mihevitra aza ianao hoe efa tara loatra… miaraka amin’Andriamanitra tsy mba misy tara izany!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.