• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 21, 2025

😴 Aza mijanona amin’ny torimasonao !

Andro namoahana Mar 21, 2025

Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.” (Salamo 25.17)

Kay, izany ka Salamo ! “Afaho amin’ny fahatereko aho !” Inona no mbola mampatahotra anao, nefa efa renao ny tenin’Andriamanitra ary fantatrao tsara izay andrasany aminao ?

Tsy fantatro izay mety ho toe-javatra iainanao, fa fantatro kosa fa manana drafitra tsara ho anao Andriamanitra.

Mety angatahiny aminao ve ny hamarana fifandraisana ratsy iray ? (faly aho fa afaka miresaka mivantana aminao eto). Mety ho nangatahiny ve ianao hanao dingana ho amin’ny fahaleovan-tena ? Sa angamba miantso anao hanaraka sekoly ara-Baiboly Izy ? Sa tsotra fotsiny, nangatahiny ianao hiala amin’ny fitarainana fa hiaina amin’ny fonao manontolo isan’andro?

Azoko antoka fa nampiditra hevitra iray tao am-ponao Andriamanitra tamin’ity herinandro ity, ary mampientana anao izany…

Fanairana ho amin’ny fifohazana io ! Aza mijanona amin’ny torimaso !

Eny, azonao atao ny manemotra izany, tahaka ny fanaonao amin’ny “réveil” amin’ny findainao. Fa tadidio : amin’izay fotoana very izay, dia mety ho diso anjara amin’ny fahagagana nomanin’Andriamanitra ho anao ianao !

Diniho vetivety ity sary ity : Ianao, mijoro eo anoloan’Andriamanitra, ary Izy mampiseho aminao izay noeritreretiny ho anao. Ary indrisy, fantatrao fa tsy noraisinao ilay izy ary nitsotra ianao hoe : “Azafady, fa tena resi-tory aho”.

Andriamanitra dia feno famindram-po, fahari-po ary feno fitiavana antsika ! Vakio tsara ilay voasoratra ao amin’ny Jona 4.2 : “satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza.” Eny, na dia resi-tory aza isika hatreto. Nefa aza adinoina fa ao ambadiky ny fanekenao Azy no misy ny fahagagana miandry anao !

Eny, miafina. Satria tsy mbola hitan’ny masonao, fa raha hanao ilay dingana amin’ny finoana ianao, dia ho hitanao amin’ny fiainanao ilay fahagagana !

Angataho amin’Andriamanitra anio ny hanafahany anao amin’izay rehetra mbola mampatahotra anao. Satria hoy Izy : “Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany !” (Isaia 43.19)

Mitrakà ary jereo ny eo anoloanao !

Fahagagana ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.