• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 18, 2024

⛰ Aza miafina!

Andro namoahana Des 18, 2024

Isika rehetra dia matetika foana te hiala amin'ny toe-javatra izay tsy mampahazo aina, na ireo izay mampitsimbadika ny andavanandrom-piainantsika.

Indraindray isika dia diso mifantoka loatra amin'ny tsy fahatokisana, ireo tsy fahombiazana, na koa ireo adidy isan'andro, ka ny hany tadiavintsika dia ny miafina sy tsy hifangaro amin'ny maro.

Kanefa, manana fahefana hanova ny fiainan'ny olona manodidina anao ianao, mandrakariva.

Eny, mitoetra ao anatinao ny herin’ny fitiavan’Andriamanitra, ary izany no mahatonga anao ho olona miavaka!  =)

Jereo ny fomba nanehoan’I Jesosy izany amin'ity andinin-tsoratra masina ity : “Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.” (Matio 5 : 14  )

Eny tokoa, tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Izaho sy ianao ihany koa! =)

Ry namako, anio no fotoana mety mba hamirapiratanao sy hisongadinanao!  Noho izany, te hamporisika anao mba hanolo an’io eritreritra tia hiafina io aho, amin’ny fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra, amin’ny fandresen-dahatra, amin’ny olona rehetra, na aiza na aiza alehanao.

Tsarovy : sarobidy loatra ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany eo amin'ny fiainanao, ka tsy tokony hafenina. Avelao izany hamirapiratra aminao mba hitondra fitahiana ho an’ny olona izay mihaona aminao!

Fitahiana goavana ianao, ry namako!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.