• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 1, 2026

Aza menatra !

Andro namoahana Aog 1, 2026

Nahoana ianao no menatra? Noho ianao voasongona teo amin'ny lafiny arak’asa ve? Na ve satria “ny hafa”  mahazo vola betsaka kokoa noho ianao ? Na koa noho ny tsy fanananao zanaka toy ny "hafa" ?

Tiako ilay Davida ao amin'ny Baiboly, sy ny fanambarany ny tsy fahatakarany tanteraka : “Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona” (1 Samoela 17.32) : Sambany izy no nahita ilay Goliata goavana be izay nampihorohoro ny olona rehetra ! Ahoana no nahafahany nanao izany ?

Tamin'izany fotoana izany, i Davida dia mpiandry ondry tsotra! Ny rahalahiny dia mpiady, izany hoe nanatrika an'i Goliata, ary izy kosa dia nalefa tany fotsiny hanatitra "sakafo" ho azy ireo, raha izay no azo ilazana azy.

Nahoana izy no dia tena nahatoky tena toy izany ?

Tsaroan'i Davida izay vao niainany niaraka tamin’Andriamanitra. Satria izy dia voahosotr’i Samoela ho mpanjakan’Israely, ary dia nisy nahatsikaritra izy raha nafenina. Tsy nisy nieritreritra fa Andriamanitra dia ho faly amin' « olona toy izany ». Ny vahoaka dia nihevitra fa i Eliaba, « zokilahy » an’i Davida no ho voafidy.

Inona ary ny teny izay nanamafisan'Andriamanitra tamin'i Samoela fa tsy izy ilay izy ?

Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy" (1 Samoela 16.7)

Io teny io dia nofihinin'i Davida tao am-pony, ary tamin'ny alalany no nahafahany nitsangana teo anoloan'ilay lehilahy goavana , izay afaka nampihorohoro azy tokoa. Fa izy dia nanambara hoe : "Tsy havelako hampatahotra ahy izy na amin’ny bikany na amin’ny habeny."

Raha hilaza teny toy izao hoe : « Raha oharina amin'i.. izaho dia toy izao «fotsiny» »..., Mampahery anao aho anio hanambara ny fahamarinana manao hoe : “Izaho dia tsy hanaiky ho hampitahorin’iza n’iza intsony, fa efa voafidin’Andriamanitra aho” (araka ny 1 Korintiana 1.27-28). Mbola ho takatro ny antony izany, ary hizotra amin’izany lalana izany amin'ny fifaliana sy ny fahatokiana aho!

Mampirisika anao aho anio handeha amin’io lalan’ny fahalalahana io hatrany, na dia efa nanandrana imbetsaka aza ianao …

Tsy mbola nisy olombelona nandroso ka tsy solafaka izany mihitsy ! Ary na solafaka aza ianao, dia meteza ny ho solafaka eo amin’Andriamanitra! Fa ho hatsangany ianao.”

Afaka hanamarina izany i Davida !

Fahagagana Ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.