๐ Aza matahotra ny Tafiotra!
Anio dia tohizantsika ny tantara ao amin'ny andininy nolalovantsika omaly, izay manao hoe: “Nony nahita Azy nandeha teo ambonin’ny ranomasina ny mpianatra dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Matoatoa io; dia niantsoantso izy ireo noho ny tahotra. Nefa Jesosy niteny tamin’izy ireo niaraka tamin’izay hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra.” (Matio 14:26-27)
Efa reraka sy raiki-tahotra ny mpianatra satria niady tamin’ny tafio-drivotra izy ireo nandritra ny alina. Anatin’izany harerahana izany dia toa natahotra mafy izy ireo ka nino fa nahita matoatoa mihitsy aza!
Tena mampieritreritra izany hoe, noheverin’ny mpianatra ho matoatoa i Jesosy. Noho ny tahotra sy ny harerahana dia nihena ny fahiratan-tsainy, ka tsy nahalala Azy tsara izy ireo.
Izany dia zavatra mety hitranga amintsika rehetra! Rehefa ao anatin’ny olana isika, lasa sarotra ny mieritreritra mazava sy mahita tsara ny zava-misy.
Amin’ireny fotoana ireny dia mety hihevitra isika fa matoatoa ilay zavatra tsara ataon'Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, satria mifantoka loatra amin’ny tafiotra isika.
Kanefa na toy ny ahoana ny tafiotra izay lalovanao anio, na manahirana na mahery, dia afaka mihaino ny feon'ny Mpamonjinao ianao izay milaza aminao hoe : “Matokia! Eto Aho; aza matahotra!”
Ry namako, aza mivarilavo amin’ny tahotra na manahy loatra noho ny tafiotra, fa mivavaha sy miantehera amin’Andriamanitra mandritra izany. Ilay Andriamanitra Mahery dia eo anilanao, ary ny heriny no hahafahanao mandresy ny tafiotra.
Anio, makà fotoana kely anie mba hanginana sy hitoerana eo anatrehan’Andriamanitra. Misaora sy mankalazà Azy, avelao ny fifaliana sy ny finoana avy Aminy hameno tanteraka anao, rehefa iny ianao ilay mihaino Azy mitondra teny fiainana mahavelona anao iny.
Izy no Rainao izay any an-danitra, tsy handao anao na oviana na oviana Izy! Ao Aminy, azonao ny fandresena.
