• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 12, 2025

😎 Aza matahotra ny fierony…

Andro namoahana Mar 12, 2025

Manantena aho fa hitondra fitahiana ho anao ity andininy manaraka ity, ary handray fanambarana misimisy ianao mikasika ny fomba fiasan'ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny paikadin'ny fahavalo izay mikasa ny hangalatra, hamono ary hanimba ny fiainanao.

Ny andalan-teny amin’ity herinandro ity dia manambara fa “mierona toy ny liona masiaka” ny fahavalo (1 Petera 5:8).

Hitantsika omaly fa ny devoly no fahavalontsika, ary nodinihintsika ny tombontsoany sy ny paikady entiny handrava ny fandaharan’Andriamanitra eo amin' ny fiainantsika.

Mahaliana tokoa eto ny fampitahana ny fahavalo amin'ny liona masiaka. Eny tokoa, ny fieron’ny liona no anisan'ny feo mampatahotra indrindra: tena mafy sy mahery  ka vao  mandre ny feony fotsiny dia efa matahotra ny biby rehetra. Ary ho mora amin'ny liona ny misambotra ny rembiny amin'izay fotoana izay.

Ny herin’ny fahavalo dia mitoetra ao anatin'ny lainga sy ny firoroan-kevitra aterany eo amin’ny fiainantsika, raha mamela azy hanao izany isika. Amin’ny alalan’ny “fierony”, no entiny hampatahotra antsika, mba hitarihana antsika hidina ao an-davaka sy hamitahana antsika. Tiany hino isika fa lehibe sy mahery izy, mba hanadinoantsika tanteraka ny maha-izy antsika ao amin’i Kristy, ka hahatonga antsika ho tafalatsaka anaty fandrika izany.

SAINGY!!! Misy liona mijoro eo akaikintsika sady mahery noho izy: tsy iza fa ilay Liona avy amin'ny firenen' i Joda. I Jesosy Kristy dia naharesy ny fahavalo, Ny Feony Mahery dia mampitahotra sy mampitsoaka ny fahavalon'ny fanahintsika!

Ry namako, aza manaiky rebirebena amin'ny laingan'ny fahavalo ianao! Mpandainga izy ary tsy manana fahefana  aminao velively izy rehefa tsy mamela toerana ho azy eo amin'ny fiainanao ianao.

Amin'ity anio aty dia dia misaora an’Andriamanitra satria eo akaikinao mandrakariva Izy ary miaro anao amin’ny Tanany mahery.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.