• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 1, 2026

Aza mangina fotsiny

Andro namoahana Nov 1, 2026

Mety efa fantatrao ny tantaran’ireo taolana maina ao amin’ny bokin’i Ezekiela 37. Asaiko hatrany ianao hamaky na hamerina hamaky izany. Ny ho raisintsika anio dia eo amin’ny andininy faha 3 manao hoe : “Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala”. Andriamanitra efa nahalala ny ho ataony fa nila an’i Ezekiela Izy hatoky Azy ary marina ny navaliny. Rehefa hitan’Andriamanitra ny fony dia nomeny azy amin’izay ny torolalana hoe “Maminania…” (and 4 - and 9 - and 12) dia nanao arak’izay i Ezekiela ka “Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy…” (And 7 - and 10)  

Anio, eo amin’io toe-javatra heverinao fa maina io, tsy misy vahaolana intsony raha ny fijerinao azy dia maminania. Tonony izay tianao hitranga, am-pinoana. Ny atao hoe maminany dia milaza zavatra ho avy mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra ary natao ampahery olona. 

Omeko ohatra tsotra iray ianao raha misy fanaintainana ny vatanao. Hoy ny Isaia 53:4 hoe “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy…” dia manomboka misaintsaina izany ianao hoe efa nentiny io aretinao io, tahaka ny ahoana ny niaretany mba ho salama ianao… dia tohizana ao amin’ny and 5 hoe “ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika”. Manomboka miteny amin’izay ianao hoe “efa nentinao Jesosy ity aretina ity, tsy manana anjara aty amiko intsony ary tsy hoe nentinao fotsiny fa ireo dian-kapoka natao anao no efa nanasitrana ahy, tsy hoe hanasitrana fa efa vitanao izany, ambarako fa sitrana aho, salama sy ambinina tahaka ny hanambinana ny fanahiko ihany koa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy”

Tohizo foana hatrany fa rehefa ataonao am-pinoana dia tena hitranga tokoa izany. Ny faminaniana tsy natokana ho an’olona miavaka fa hoy indrindra ny teny hoe “Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy” Asan’ny Apostoly 2:17-18

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny