🤫 Aza mangina ela loatra !
Tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia nahita toetra maromaro nananan’i Davida Mpanjaka manokana isika, toetra izay tokony hotahafintsika koa eo amin’ny fiainantsika manokana.
Androany anefa dia handray lesona ny amin'ny fahalemeny isika. Milaza ny Baiboly fa “tamin’ny taona manaraka, tamin’ny fotoana niakaran’ny mpanjaka, dia Joaba sy ny mpanompony ary ny vahoakan'Israely no nirahin'i Davida […] Ny tenany kosa dia nijanona tao Jerosalema.” (2 Samoela 11.1, 21)
Raha tokony ho nitarika ny tafiny ho any amin’ny ady i Davida, dia nanapa-kevitra ny hijanona tao an-trano sy hiala sasatra. Izany fanapahan-kevitra izany no nitarika azy hivoaka amin'ny toerana sy ny asa izay niantsoan’Andriamanitra azy, ary nanomboka teo ny olana.
Rehefa teo amin’ny toerana tsy tokony hisy azy Davida, dia nahita izay tsy tokony ho hitany, ary tsy noeritreretiny akory fa resin’ny fakam-panahy ho azy izy, ka nijangajanga tamin’i Batseba ary niezaka nanafina izany avy eo. Nianjera tao amin’ny haizina lalina i Davida, anefa rehefa niresaka taminy Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Natana mpaminany, dia nibebaka tamin’ny fony manontolo izy. Toy izao no nanehoany izany tao amin’ny Salamo iray nataony :
“Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, […] ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako” (Salamo 32:3-5).
Toy izany ny fon’ny olona tena mitady an’Andriamanitra marina. Namela heloka Andriamanitra ary namerina tamin’ny laoniny an’i Davida, ka tsy tafalatsaka intsony tamin'ny fijanganjangana.
Eny, rehefa tsy manao izay asain’Andriamanitra ataontsika isika, dia miditra amin’ny toerana mampidi-doza. Ny fakam-panahy, ny tahotra, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fanapahan-kevitra diso,… ireo no anisan'ireo voka-dratsy aterak'izany eo amin'ny fiainantsika rehefa tsy mandroso sy mamaly ny antsontsika isika.
Ry namako, aza mitsahatra manao izay asain’Andriamanitra ataonao ! Misy zavatra angatahin’Andriamanitra aminao ve ka tsy nataonao tato ho ato ? Voamarikao ve fa tsy mandeha tsara intsony ny ara-panahinao ? Sa efa lavo tamin'ny fahotana ve ianao ?
Anio no andro hamerenana tanteraka anao ! Mangataha amin’ny Tompo mba hamerina anao amin’ny ny lalanao Izy, ary mandrosoa amin’ny saina nohavaozina.
