Aza mandany ny fotoananao ⌚️ na ny herinao 💪🏻,
Iza no olona tianao hiresahana voalohany indrindra ?
Iza no olona tianao hilazana avy hatrany ny ao am-ponao rehefa misy olana miseho, satria fantatrao fa hiara-hivavaka aminao sy ho anao izy ?
Ho ahy, dia ny ray aman-dreniko izany. Mety hampitsiky anao ito, fa na dia efa lehibe aza aho, dia namorona groupe WhatsApp miaraka amin’ny ray aman-dreniko aho, mitondra ny anarana hoe : “Mila an’i neny sy dada aho.” 🤭
Ary vao aingana, nandalo fotoan-tsarotra aho, nifanesy ny vaovao ratsy, ary nandiso fanantenana ahy tsirairay ireo olona (iza moa no tsy efa niaina an’izany ?), dia nihazakazaka naka ny findaiko aho mba hilaza amin’izy ireo amin’ny antsipiriany ny zava-drehetra. Saingy nosakanan’Andriamanitra aho : “Tsia, avelao izany. Izaho irery no afaka manampy anao amin’izao !”
Tsy misy olona itokisana, na hendry toy inona aza izy, afaka manome anao izay azon’ny fifandraisanao mivantana amin’Andriamanitra omena anao.
Izao no marina, rehefa be resaka loatra isika, dia very fotoana sy hery matetika. IO FOTOANA io, izay tokony ho nampiasaintsika niresahana mivantana tamin’Andriamanitra. IO HERINTSIKA io, satria matetika ny olona dia tsy mahalaza afa-tsy hoe : “Azoko tsara. Hivavaka aho.” Fa Andriamanitra kosa miteny hoe : “Hitako. Izaho no hikarakara izany !”
Azonao ve ny tiako ambara aminao ? Mazava ho azy fa mbola hampahafantatra ny ray aman-dreniko ny filàko aho, satria tena sarobidy amiko ny fanohanany, ary fantatro fa mitondra am-bavaka ahy izy ireo ! Fa voalohany indrindra, dia Andriamanitro no tiako hianteherana !
Hoy i Davida : “Tsara ny mialoka amin'i Jehovah noho ny mialoka amin'ny olona. Tsara ny matoky an'i Jehovah noho ny matoky ny mpanapaka.” (Salamo 118:8-9)
Ary anio, mampahery anao aho hanajanona ny resadresaka ka hanome toerana an’Ilay tena afaka manome vahaolana!