• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
Andro namoahana Mar 31, 2025

⏳ Aza manamaivana ny zava-miseho amin'izao vanim-potoana izao

Andro namoahana Mar 31, 2025

Efa ela isika no nampahafantarina fa mikorontana izao tontolo izao, ary tsy afaka ny tsy hiraharaha izany isika!

Feno ahiahy ny fon’ny maro, toy ny foko tamin’ny voalohany. Eny, tamin’ny voalohany …

Natahotra aho hoe :- “Fa inona ary ity mitranga eto ity e?”- “Fa ahoana no mbola mitohy izao?”Tsy tambo isaina ny fanontaniana nitondra ahy tany amin’ny fiheveran-diso!

Tamin’ny voalohany, tena niondrika tanteraka tao anaty findaiko aho ary nahita karazana sary tena nahatsiravina. Fifangaroana fahadisoam-panantenana sy ranomaso. Vao mifoha maraina, ny hariva, alohan’ny hatory…

Mandrapahatonga ahy nihiaka hoe: AOKA IZAY !

Tsy tian’Andriamanitra hitanondrika ianao, fa hitraka!

Hoy ny tenin’ny Soratra Masina :

 “ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo. Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo” (1 Petera 5:7-9a)

Fantaro fa miezaka mitady olona harapany ny devoly!

Te hahita anao feno fanahiana izy! Satria fantany fa rehefa difotry ny tebiteby ianao, dia ho mora voahodiny, satria ho very ny fifandraisana amin’Ilay te hanafaka anao amin’izany rehetra izany.

Te hahafantatra ny làlana mankany amin’Ilay afaka manala ny fahorianao ve ianao? Tena ho teneniko anao ny nataoko tamin’izay : Napetrako tamin’ny tany ny findaiko, ary nandohalika aho. Tena marina e! Tena nandohalika aho! Ary ianao? Oviana ny fotoana farany nandohalihanao teo anatrehan’ny Tompo?

Rehefa mahakasika anao ny zava-tsarotra eto amin’izao tontolo izao, dia vao mainka tokony handohalika ianao!

Nahoana moa raha izao mihitsy ianao no manao izany?

Mandohaliha ary ataovy tsapanao ilay fitiavany.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra