Aza manaiky izay fiheverana diso momba an'Andriamanitra!

Hamaranana ny lohahevitra izay hitantsika ao amin’ny Salamo faha-100, dia andeha ho jerentsika ny sasantsasany amin’ny ireo harena mampiavaka azy.
Mifarana toy izao ilay Salamo: “Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.” (Salamo 100:5).
Io teny hoe “fa tsara Jehovah, mandrakizay ny famindram-pony” io no ilay nohirain’ny Levita tamin’ny andro nitokanana ny Tempoly voalohany tao Jerosalema, izay naorin’i Solomona.” (Salamo 100:5)
Voalaza ao amin’ ny Baiboly fa rehefa nanomboka nihira izy ireo, dia tonga tamin’izy ireo tamin-kery ny Fanatrehan’Andriamanitra, ka voatery nivoaka ny tempoly izy ireo fa tsy nahazaka izany intsony.
Izany no mitranga eo amin’ny fiainantsika rehefa mankalaza ny fahatsaran’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika!
Hatramin’ny nahariana ny olombelona dia efa niezaka nanome antsika fomba fijery diso momba an’Andriamanitra ny devoly.
Ataony izay hahatonga antsika hino fa tsy afaka miresaka malalaka amin’Andriamanitra isika, satria masiaka sy miavona Izy, tsy mamaly antsika mandrakariva, manararaotra antsika ary manaisotra izay zavatra efa nomeny antsika... ary ny devoly dia miezaka ny handresy lahatra antsika fa toy izany ny fiandrianan’Andriamanitra, ka tokony hanaiky sy hidera azy isika.
Amin'izay fotoana izay dia tsy azontsika an-tsaina akory fa mamorona fomba fijery diso momba an'Andriamanitra isika. Mety tsy ho tenenin’ny vavantsika izany, fa ny ao an-tsaintsika dia milaza fa tsy mamaly antsika Andriamanitra, tsy afaka miantehitra amin’ny fanampiany mandrakariva isika, tsy rariny indraindray ny zavatra hataony, kanefa tsy maintsy midera Azy isika…
Miezaka mamotika antsika amin'ireo eritreritra ireo ny fahavalo. Koa na dia midera an’Andriamanitra aza isika na miaiky fa tsara Izy, dia misy fisalasalana ao am-pontsika lalina. Avy eo isika mieritreritra bebe kokoa an’ ilay nandevina ny talentany izay nilaza hoe: “Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao” (Matio 25:24).
Tsapanao ve ny fahitany ny tompony? Sarin'Andriamanitra io sary io! Tsy nampiasa ny talentany izy satria nofitahin’ny fahavalo: nino izy fa Andriamanitra dia olona masiaka, sarotiny ary tia tena... Ary mbola miverimberina ny tantara: tian’ny fahavalo ny hinoanao ireny lainga ireny mba handrava ny fifandraisanao lalina amin’Andriamanitra sy hanakana anao ho tody amin’ ny anjaranao.
Ry namako, aza manaiky an'ireny fomba fijery diso momba an'Andriamanitra ireny! Raha mandinika ny eritreritry ny fonao ianao amin’izao fotoana izao ka tsapanao fa tsy tena tsara ny fomba fijerinao an’ Andriamanitra, dia mankanesa eo amin’ny Ray ary mangataha Aminy mba hanampy anao hanafaka ny tenanao amin’ireo fihevitra diso sy mivaona napetraky ny fahavalo ao anatinao ireo!
Tian’Andriamanitra hiaina fiainana feno fitahiana ianao, kanefa tsy ho tanteraka izany raha tsy rehefa manambara amim-pifaliana lalina sy tsy misy fisalasalana ianao fa tena tsara Andriamanitra, ary tsy misy tahaka Azy. Tena tsy misy tahaka Azy tokoa!
Mivavaka ho anao aho, mba ho feno ny fahatsaran'Andriamanitra ao anatinao anio, ary na izaho na ianao dia tsy hisalasala ny amin’izany na dia iray segondra akory aza.
Fahagagana ianao!

