AZA MANAIKY HIHINAM-BILONA
Matetika rehefa nahazo toerana ambony na vola nisinisy dia misy fihetsika miova mifanaraka amin’izay koa. Mampihomehy ahy indraindray hoe miova hatramin’ny feo rehefa antsoina…hahahaha. Mazava ho azy moa fa raha lasa tale kosa ianao na minisitra dia misy karazan-javatra tsy ho ataonao intsony. Fa ny tiako hiaviana eto dia ny fanetre-tena. Anisan’ny zavatra tena tian’ny olona sasany ny indraindraina. Ary misy tena manindry mafy mihitsy hoe tsy i anona intsony fotsiny fa i Tale no fiantso ahy, sns… Raha sendra adino izay dia tena sorena izy ary miandrandra fialan-tsiny. Tsy fantatrao angaha aho? Antso iray fotsiny dia vita ny aminao!!! ….
Hey, hey, hey….hoy ny Baiboly "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Ohabolana 3.34/1 Petera 5:5b). Ilaina ny fanajana fa mila mahay mametraka ny atao hoe fanetre-tena isika. Omeko iray minitra ange ianao hisaintsaina izany hoe Andriamanitra manohitra izany e? Tsy mba iriko izany ary tsy maniry izany ho anao mihitsy koa aho. Ny tantaran’i Nebokadnezara dia maneho mazava tsara fa rehefa nihevitra ny tenany ho izy no nahavita ny zava-drehetra ka nanomboka nieboebo sy niavonavona dia naetrin’Andriamanitra izy ambara-pahatonga saina azy fa tsy noho ny heriny izay voafetra ihany no anton’ny zava-drehetra. Hoy ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Daniela 4 (Manasa anao aho hamaky io toko iray manontolo io) : “Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?” (And 27). Nieboebo tokoa i Nebokadnezara ho nahavita zavatra fa nefa dia toy izao ny tohiny hoe : “Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao. Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.”
Manána toe-po feno fanetre-tena, fa hanandratra anao Andriamanitra “Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro” (1 Petera 5:6)
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕