• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 7, 2024

๐Ÿ˜ƒ Aza manahy ianao

Andro namoahana Aog 7, 2024

 

An-dranomaso no anaovako ny fizarana androany. Te hilaza ny marina aminao aho, ry namako, te hanambara izay tena tsapako lalina.

Teo am-panoratana fizarana vaovao ho an’ny “Fahagagana Isan'andro” aho, sady miezaka hatrany ny mamaha ireo olana nisy anikeo maraina, no indro nisy nandondom-baravarana mba hilaza amiko ny olana manaraka indray ! Efa niaina izany koa ve ianao ry namako ?

Indrindra rehefa nandray fanapahan-kevitra “hendry” iny, rehefa te hanolo-tena ho amin'ny asan’Andriamanitra, na inona na inona mety ho vokany… mino aho fa tena miombon-kevitra amin’izany ianao !

Tsy tsiambaratelo akory ity : Izay tapa-kevitra ny hiasa mba hiaina ilay nofy napetrak’Andriamanitra ao am-pony dia tsy maintsy hiatrika ny tafio-drivotra mandrakariva.  Misy antony matoa voalaza ao amin’ny Jaona 10.10 ny hoe “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” (Jaona 10:10)

Tsy mahafinaritra antsika ny maheno izany Teny izany, saingy izany indrindra no zava-misy rehefa tapa-kevitra ny hiroso lalina amin'ny nofy nomen'Andriamanitra anao ianao. Te hilavo lefona ianao !

Izay mihitsy koa no nahazo ahy anikeo maraina. Te hitomany aho, te hilaza hoe “Ampy izay !” Kanefa, tsarovy MANDRAKARIVA ny fampanantenana nataon’Andriamanitra. Ilay fampanantenana nataony tamin'i Gideona, rehefa nitanisa antony aman’arivony tsy ahafahany manatanteraka ny asany izy. “Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.” (Mpitsara 6 :16)

Raha teo am-pamakiana izay andininy izay aho, ary mbola tanaty ahiahy dia nahatsapa toy izao : Ny marina dia olana IRAY izany - fa TSY olako!

Ry namako, tsy ilaina ny miasa saina amin'ireo olana be dia be mahazo anao, izay tsy inona fa tokana ihany !

Ny mpangalatra mitady handringana anao, fa Andriamanitra kosa manandratra anao. Nanome toky fa hanampy anao Izy ry namako.

“ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (I Petera 5 : 7)

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.