• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 17, 2026

Aza mamotsitra mihitsy πŸ™‚β€β†”οΈπŸ™‚β€β†”οΈ

Andro namoahana Feb 17, 2026

Misy olona ve eo amin’ny fiainanao, na toe-javatra, izay nentinao am-bavaka hatry ny ela - nefa tsy mbola misy zavatra mitranga?

Kivy ve ianao fa tsy misy zavatra miova ?

Misy olona koa eo amin’ny fiainako izay nentiko am-bavaka efa hatry ny ela… Rehefa manao fampisehoana aho, dia mahatsikaritra am-pankasitrahana fa betsaka ireo olona izay nanolotra ny fiainany ho an’i Jesosy.

Kanefa dia tsy misy fiovana mihitsy eo amin’ireo olona izay entiko am-bavaka foana…

Ny vokany? Lasa mihemotra isika eo am-piandrasana, ary lasa mijanona tsy mivavaka intsony aza. Iza nefa no faly amin’izany? Ny devoly mazava ho azy. Tiany ny mamafy fahakiviana sy manala antsika amin’ny vavaka araka izay tratrany, satria - henoy tsara : 

Matahotra ny vavaka izay hotononinao ny fahavalo!

Azonao ve izany?

Averiko indray : matahotra ny vavaka izay hotononinao ny fahavalo!

Avelao aho hanazava izany eritreritra izany amin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ny mpampianatra, izay niaina traikefa niavaka . Tamin’io fotoana io mihitsy izy no navelan’i Jesosy ahita izay mitranga marina rehefa mivavaka ho an’ny mpianatra iray izy.

Nivavaka manokana ho an’ny tovolahy iray izay izy - fa noeritreretiny foana hoe : “Tsy misy dikany akory fa tsy hanova na inona na inona izany.” 

Dia teo no nampisehoan’i Jesosy izay mitranga “ao ambadika”. Hitany hoe namotika lalina ny tetik’asan’ny fahavalo ny vavaka tsirairay nataony!

Hitany hoe nanokatra varavarana teo amin’ny fiainan’ilay tovolahy ny vavaka nasandrany, na teo aza ireo fiarovana mafy nataon’ireo fahavalo. Nisokatra kely aloha ary nihalehibe tsikelikely izany.

Raha tsy nanisy tombambidy loatra ny vavaka i Jesosy, dia tsy ho voasoratra tao anaty Baiboly ireto teny ireto : 

Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,” (Lioka18.1

Te hamporiisika anao aho anio mba hanohy hivavaka ho an’ny olona - na toe-javatra - izay efa najanonao. Eny, indrindra eo amin’ilay noeritreretinao fa : “Tsy hanova na inona na inona izany.”

Tsia, tsy hamotsitra isika, fa hiova tsikelikely izany - vavaka miampy vavaka… mandra-pahatonga ny fahagagana! Amen?

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.