• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 1, 2024

"Aza lazaina amin'iza na amin’iza…"

Andro namoahana Apr 1, 2024

 

Ny fahitantsika an’Andriamanitra matetika dia Ilay Andriamanitra Mpamorona, Ilay Mpamonjy ny fiainantsika … fa impiry moa isika no nandray azy ho namana?

Te hanasa anao hanao izao zavatra izao aho : akipio ny masonao ary alaivo sary an-tsaina kely hoe mpinamana akaiky be ianao sy Andriamanitra. Azonao sary an-tsaina ve izany? Azoko antoka fa ny sary voalohany tonga ao an-tsainao dia ny fifampiresahanao amin’Andriamanitra, mifampizara izay ao am-po, angamba eo am-pisotroana kafe matsiro (na sokola mafana, raha ho ahy manokana =). Izany no ataon’ny tena mpinamana : miresaka sy mihomehy ary mifampitantara ny zava-misy, eny fa na dia ny antsipirian-javatra manokana momba ny fiainana aza, izay tsy hotantaraina amin’olon-kafa.

Tena mahafinaritra raha manana izany finamanana lalina miaraka amin’Andriamanitra izany, sa ahoana hoy ianao? Diniho izay lazain’i Jesosy ao amin’ny Baiboly : “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.” Jaona 15:15

Tsy mihevitra antsika ho mpanompony intsony Izy, fa mitoetra ho Tompontsika hatrany. Namany isika ary manana fifandraisana manokana sy lalina Aminy. Lazainy amintsika izay rehetra ao am-pony.

Eny, ry namako, irin’Andriamanitra ny hanana finamanana tena marina miaraka aminao. Te hanambara zavatra lalina aminao Izy, raha misokatra Aminy ianao ary mizara Aminy izay rehetra ao am-ponao. Mandritry ny herinandro dia hizara aminao ny fanalahidy 7 izay hanampy anao hampitombo ny finamananao amin’Andriamanitra aho. Vonona ve ianao) ?

Ato am-poko manokana ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.