• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VN Vietnamese
Andro namoahana Nov 26, 2026

Aza kivy

Andro namoahana Nov 26, 2026

Aza kivy 

Efa hifarana ity ny taona. Afaka manontany anao ve aho hoe nanao ahoana ity taona ity ho anao? Manantena valiny ao amin’ny commentaires aho raha sitrakao. 

Amiko manokana dia anisan’ny mafy tamiko ity taona ity. Nandalo sedra lavitry ny noheveriko ho lalovana aho ary tena mafy. Nampiseho ahy foana koa anefa ny Tompo fa eo foana miahy ny momba ahy sy miaro ary mikarakara ahy.  Fa na anatin’ny ady mamay aza dia tsy mba nandalo tao an-tsaiko ny hiverin-dalana na hamotsitra ny tanan’Andriamanitra mihazona ahy. Eny tena latsaka imbetsaka ny ranomaso fa vetivety eo koa dia feno fiadanana sy tsiky satria tsapako eo anilako eo Ilay tena tia ahy. 

Indray alina aho tena an-dranomaso nandohalika tao an’efitranoko. Tsy nahavita niteny firy aho fa haiko nefa fa teo Jesosy. Feno loatra ny foko tamin’izay ary tena na ny handahatra teny aza tsy vitako. Nanala ny foko teo aho satria tsy misy afaka hitarainako afa-tsy Izy irery, ilay eo foana sy tsy hitsara ahy. 

Nahatsiaro voafitaka aho ary tena naharary ahy ilay izy ka nandratra ny foko. Volana Marsa lasa teo izany. Tsy nivaly teo noho eo anefa ny vavako fa nitohy am-bolana maro ny ady natrehiko. Fa tsy mba nandalo tao an-tsaiko izany hoe tsy hanompo intsony na tsy ho tia Azy. 

Niditra tanatin’ny fiofanana ho mpanoratra ny fahagagana isan’andro rahateo aho ary ny antsipiriany rehetra dia niresaka tamiko mivantana nilaza ny fahatsarany, ny fitiavany ary ny tsy mba handaozany ahy na oviana na oviana. 

Nivadika ranomasom-pifaliana ilay tomany taty aoriana. Tena voninahitra ho an’Andriamanitra! 

Tsy hoe niova ny tranga natrehiko fa ny fomba nijerevako azy no nafantony kokoa Taminy noho ny tamin’ny olako. Nampiany aho ahay hitia, handefitra, handroso ary hikatsaka ny fanitarana ny fanjakany. 

Marina tamiko loatra ny Matio 6:33 hoe “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany”. Nitady ilay tapany faharoa aho nefa ny foko mihevitra ny an’Andriamanitra no nilainy dia Izy nandravona ny sisa rehetra. 

Anio aho dia te hampahery anao manokana hoe aza kivy. 

Ny olona mety mandao, ny olana mety mitranga fa mijere an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy (Hebreo 12:2). 

Ary minoa fa ilay valim-bavakao efa vonona ao, fa ampifanaraho amin’ny Sitrapony ny ataonao dia izy hanefa ny fanirian’ny fonao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny