AZA HOHANINA DAHOLO NY EO AN-DATABATRA
Efa nisy fotoana ve ianao tena hoe voky be dia tsy nisakafo intsony andro maromaro taty aoriana? Inoako kosa fa tsy maintsy ahatsiaro noana ihany ianao raha tsy hoe nisafidy hifady hanina angaha. Fa rehefa avy voky be toy ireny dia somary mifidifidy sakafo izay isika, sa tsy izany?
Ie, mila mahay misafidy tsara isika amin’ny ataontsika, ny alehantsika ary izay miaraka amintsika sns sns… Saino ange hoe manana business be ianao dia lasa ianao maka olona iray nandalo teo an-dalana teo dia asainao miara-miasa aminao eeee… Fahavendranana kosa angamba izany kah….
Amin’ny resaka sakafo koa ohatra dia na noana be aza ianao dia misafidy tsara ny hohaninao hitandrovanao ny fahasalamanao. Raha mbola tsy nisy na inona na inona ohatra ny vavoninao dia tsy fahendrena kosa ny tonga dia mandrapaka sakay be na noana toa inona aza….
Toy izay ihany ny ara-panahy. Mila fahaizana manavaka ianao. Mila mahay misafidy tsara. “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao” (1 Jaona 4:1) Ny atao hoe “zahao toetra” dia diniho tsara, raiso ny Baibolinao dia trandrao hoe mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ny ambarany. Aza tonga dia arapaka daholo izay eo am-bilia. Manàna fahendrena dia makà fotoana tsara handinihina sy hijerenao ary hanavahanao ny vary sy ny tsiparifary.
Ny fiainanao, ary mihoatra lavitra noho izany ny mandrakizay anao, dia miankina amin’ny hoe inona no avelanao hiditra ao anatinao. Safidio tsara izay atolotra anao eo an-dovia mba tsy hankarary anao.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕