Aza diso fahavalo !

Rehefa eo amin’ny sehatry ny ady ianao, ny zavatra voalohany tsy maintsy fantatrao tsara dia hoe iza no fahavalonao. Fantatrao ve fa tsy voatery ho fantatsika foana izany ?
Tiako omena ohatra ianao: nisy namako nandeha trano fisakafoanana iray niaraka tamin’ny namany, ary ilay mpandroso sakafo niasa tamin’io andro io dia tena tsy nahafinaritra. Tezitra izy, somary ratsy ny valinteny omeny, ary toa tsy faly amin’ny fangatahana rehetra natao taminy izy. Ianao, ahoana no ho fihetsikao raha io toe-javatra io ?
Toy ny mahazatra azy, niandry hatramin’ny faran’ny sakafo ilay namako, ary rehefa handoa vola izy dia nanararaotra niresaka fohy momba ny fitiavan’Andriamanitra, ary nanome karama fanampiny mitovy amin’ny vola laniny teo : 100% tamin’ny totalin’ny kaonty. Tamin’izay fotoana izay, dia toran-kovitra ilay mpandroso sakafo. Nitomany izy, nanomboka nitantara ny herinandro tena ratsy nolalovany, ary nangataka famelan-keloka noho ny fihetsiny, raha mbola nankahery azy sy niresaka momba an’i Jesosy sy ny fitiavany ho azy izy ireo. Tena fotoana nahafinaritra tokoa !
Ny fahavalo dia miezaka ny mampiseho antsika ny hafa toy ny hoe izy ireo no fahavalontsika, ary manosika antsika hampiasa ireo fitaovan’ny maizina, toy ny fanakianana, ny fitarainana, ny herisetra, na ny fandrahonana, mba hanohizany ny heriny manimba.
Fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra, afaka miala amin’izany isika ! Tsy nanaiky haneho izany toetra ratsy izany ilay namako, fa nisafidy kosa ny haneho ny fitiavana sy ny fahalehibiazan’Andriamanitra taminy. Ary dia niova ny zava-drehetra !
Hoy ny Baiboly : “Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà…” (Efesiana 6:12)
Ry namako, ao anatin’ity “ady tsara amin’ny finoana” ity, dia nantsoina ianao mba hanapaka ity fihodinana mahatsiravina ity, ary ho lasa fantsona fitahiana ho an’ny hafa.
Anio, aoka ny fitiavana sy ny fitahian’Andriamanitra hanenika ny fifandraisanao ! Izay no hahatonga fahasamihafana eo amin’ny fiainanao sy ny fiainan’ny hafa.
Fahagagana ianao !

