Aza avela hisy olona hampino anao ny mifanohitra amin’izany !
Raha nanorina ny fiainako tamin’ny fihetseham-poko aho… tamin’ny eritreritro… tsy fantatro akory hoe aiza aho izao. Ary raha ny hoaviko indray no haoriko amin’izany?
Raha ny marina… dia ho loza azo antoka izany.
Satria tsy tsara foana ny eritreritro. Ary mety fantatrao koa izany amin’ny zavatra efa niainanao. Fa… fantatrao ve izay eritreretin’Andriamanitra momba anao?
“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.” (Jeremia 29:11)
Ka lazao ahy : Nahoana ianao no manome lanja bebe kokoa ny eritreritrao — noho ny teny izay efa nolazain’Andriamanitra taminao? Izaho koa anie mba efa nandalo fotoana nahatsapa hoe very daholo ny zava-drehetra e.
Indrindra tamin’ny taona 2017. Nampiato ny antsoko aho… mba hanomanako ny fanambadiako. Fa lasa izy. Nandao ahy izy dia niaraka tamin’olona tanora kokoa. (Eny, efa niaina an’izany fanaintainana izany koa aho…)
Tsy fo torotoro ihany no vokany, fa fahaketrahana lalina no nanaraka izany.
Hitako daholo izay very : ny nofinofy momba ny fanambadiako, ny fanoloran-tena nataoko tamin’ny mozika sy ny fijoroana ho vavolombelona, ny asako, hatramin’ny namako aza… Ary arakaraka ny nijereko izay very no vao mainka nampilentika ahy… 🙇🏻♀️
Raha nijanona teo aho… dia mety ho potika tanteraka.
Fa nandray fanapahan-kevitra aho, somary tara (fa tsy tara loatra!), hanome lanja bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra noho ny eritreritro manokana. 🧏🏻♀️ Ary indrindra ny fampanantenany : Te hanome ahy hoavy feno fanantenana Izy. 🙋♀️
“Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.” (Ohabolana 4:23)
Eny, indraindray ny miaina io andininy io dia toy ny fanaovana fanatanjahantena avo lenta. Fa toy ny aorian’ny fanazaran-tena tsara rehetra… dia mahatsapa ho tsara kokoa ianao! Ka manasa anao aho anio, hanomboka hanome lanja bebe kokoa izay lazain’Andriamanitra momba anao, noho izay eritreretinao momba ny tenanao. Ary na dia tsapanao aza fa tara loatra… izay tara eo imasonao dia mbola ara-potoana ho an’Andriamanitra!
Fahagagana ianao! ✨