• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 11, 2026

Aza avela handalo fotsiny,

Andro namoahana Feb 11, 2026

Misy zavatra iray izay fanaonao sy fanaoko matetika ! Zavatra iray izay tena tsy tsara ho antsika mihitsy 

Mahafoy ilay fiadanana izay efa nokasain’Andriamanitra homena antsika isika ! 😬

Marina ve ny teniko? Kanefa averimberin’Andriamanitra amintsika hatrany ny fampanantenany, tahaka izay ataony ao amin’ny Jaona 14  hoe :

Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.” (Jaona 14.1)

Matetika loatra isika no variana amin’ny fiainana andavanandro ka te hamaha ny olantsika samirery : “Satria tsy maintsy atao...” Na koa, mihevitra isika fa tsy misy idiran’Andriamanitra ny olantsika satria hoe olana madinika andavanandro. Vokatr’izany, omentsika toerana kely dia kely Andriamanitra, na amin’ireo zavatra madinika indrindra izay tiany hanampiana antsika aza.

Mety nisy koa fahatsapana fifanalavirana niforona teo aminao sy Andriamanitra, ka mieritreritra ianao hoe : “Na izany na tsy izany, tsy hanampy ahy Izy izao.”

Koa diniho ny toe-ponao! Namela fahotana niditra ve ianao ? Na fisainana ratsy momba ny hafa ? Mangataha amin’Andriamanitra mba haneho aminao ny olana :

“Ray Masina ô, mifona aminao aho mba hanehoanao ahy raha misy zavatra mampisaraka antsika, ary mamelà ny fahadisoako. Misafidy ny hatoky Anao aho ary te hanorina ny fiainako eo ambon’ny fiadananao – fa tsy amin’ny herin’ny tenako !”

Zava-dehibe ny maka fotoana amin’izany, satria raha tsy manao izany isika, dia hiezaka haka toerana bebe kokoa ny fahavalo, mandra-pahazoany ny toerana rehetra. Raha vao mahita irika kely hampidirana fisalasalana izy, dia hitovy haingana amin’ny fromazy "Gruyère" ianao – feno lavaka, izany hoe feno fisalasalana. 🧀

Fa isika kosa tsy hahafoy ilay fiadanana izay tian’Andriamanitra hatolotra antsika isan’andro! 💪🏻 Ary raha mbola miezaka ny hamadika anao ho tahaka ny fromazy Gruyère 🧀 ny devoly, ianao kosa dia afaka mitsangana sy manambara amim-pahatokiana hoe :

“Tsia, tsy hanaiky ho fitahin’ny fahavalo aho. Tsia, tsy matahotra aho, satria matoky an’ilay Andriamanitro tsara fo aho, izay tsy hanary ahy mihitsy ! Raha te hampisy fisalasalana eo amin’ny fiainako ny zava-mitranga, dia vao mainka aho hiankina bebe kokoa amin’ny fiadanan’Andriamanitra !”

Raha te hampisalasala ahy ny fiainana, dia ny fiadanan’Andriamanitra no hiankinako mba hampaherezana ahy !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.