• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 9, 2026

Aza avela hanakana anao izany.

Andro namoahana Aog 9, 2026

Efa nisy fotoana ve ianao mahatsiaro kamo hanadio ny latabatra amin'ny hariva rehefa avy nandray vahiny iny?

Vao haingana izay no nitranga tamiko, ary rehefa nifoha aho ny ampitso maraina, dia voatery nikarakara sy nanadio  vao afaka nanao ny asa andavan’andro! “Tena fandaniam-potoana sy sakana amin’ny asako anio izao,” hoy aho an’eritreritra rehefa nanadio ny latabatra.

Mety hoe antsipirian-javatra kely izany, fa ireo antsipiriany kely ireo indrindra no hanakana anao amin'ny fanatrarana ny nofinofinao!

Inona no tena nofinofinao? Vao haingana aho no nihaona tamin'ny vehivavy iray, izay nilaza tamiko ny nofinofiny: "Mikarakara fivoriana ho an'ny vehivavy matetika aho, miaraka amin'ny faniriana lalina ny hahita azy ireo ho afaka tanteraka!"

Rehefa nijery azy aho, dia nieritreritra anakampo hoe: "Raha ny marina, tsy mbola tena afaka tanteraka ianao.." Fotoana fohy taorian’izay, dia niresaka tamiko izy, ary niaiky fa tsy nifandray tamin’ny rainy intsony izy ary tsy afaka ny hamela azy.

Ianao koa dia mety halaim-panahy "hiandry ampitso lava” na hieritreritra mihitsy hoe: "Tsy zava-dehibe izany, avelao aho hiaina ny nofinofiko aloha..."! Fa io "antsipirian-javatra kely" ahemotrao matetika io no tena mahatonga ny nofinofinao matory na tsy ho tanteraka mihitsy...

Voalaza fa niaina 100% ny asa nanirahana Azy Jesosy, na dia namakivaky lohasaha mafy sy ngazana aza. 

“Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.”    (Hebreo 4:15-16).

  1. Takatr’i Jesosy ny fahasarotana ho anao amin’ny famelan-keloka.

  2. Te hanampy anao Izy ary hameno anao amin'ny zavatra rehetra ilainao mba hanatanterahana izany.

Inona avy ireo zavatra tokony tsy hiandrasanao rahampitso, mba ahafahanao miaina ny nofinofinao dieny anio ?

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.