đ Aza atsahatra ny fideranao Azy!

Te hametraka ity fanotaniana ity aminao aho eto ampanombohanâity andiany vaovao ity: Mahatsapa ve ianao fa feno fankasitrahana anâAndriamanitra noho ny zavatra rehetra nataony ho anao sy ireo fitahiana rehetra narotsany teo aminâny fiainanao?
Matetika isika no mandalo fotoan-tsarotra, tezitra, na manahy momba izay tiantsika hananana. Ary hadinontsika ny zava-tsarobidy mahagaga izay efa nataonâAndriamanitra teo aminâny fiainantsika, sy ny zavatra rehetra nampanantenainy antsika ao aminâny Teniny.
Noho izany dia te-hamakafaka ny Salamo faha 100 miaraka aminao aho, mandritra ity andro vitsivitsy ity. Amiko dia andinin-teny miavaka tokoa ao aminâny Baiboly ity Salamo ity, ary tsy hoe satria izy misy isa boribory fotsiny, fa indrindra koa satria manasa antsika hitoetra ao anatinâny fankasitrahana lalina anâAndriamanitra aminâny fotoana rehetra.
Araka izany, manomboka toy izao ity Salamo ity: âMihobia ho anâi Jehovah, ry tany rehetra!â (Salamo 100:1).
Araka ny hitanao, ity andininy voalohany ity dia tsy misy fepetra toy ny hoe "raha sambatra ianao...", na "raha milamina tsara ny zava-drehetra ho anao...", dia afaka mihira ho an'Andriamanitra ianao⊠Tsia, tsy misy fepetra!
Azo antoka fa tsy soso-kevitra na fanambarana mahafinaritra fotsiny ity andalan-teny ity: fa fanasana ambara aminâny alalanâny baiko. Eny, miantso antsika hidera Azy mandrakariva Andriamanitra, ary aminâny fifaliana!
Sahiran-tsaina angamba ianao, ary manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no mangataka aminao hanao toy izany⊠Tokony hanery ny tenantsika ve isika hanao izany na dia tsy maniry ny hanao izany aza? Andriamanitra ve no mila ny fiderana ataontsika? Ary ihany koa, miaraka amin'ny fifaliana?
Raha ny marina, ny valiny dia tsy misy ifandraisany aminâizay ilainâAndriamanitra, fa kosa aminâny ilaiko sy ilainao. Nohariana mba hanana fifandraisana lalina Aminy isika. Ary tsy misy mahatonga famelombelomana kokoa sy fahafenona ny Fanatrehany, mihoatra noho ny rehefa mibanjina Azy ny masontsika ary midera Azy aminâny fontsika tanteraka isika.
Eo isika dia mahatsapa ho toy ny any an-danitra ary ny fiainantsika manontolo dia mifanaraka indray amin'ny sitrapony sy ny zava-misy momba ny Fanjakany⊠Rehefa mitranga izany dia manomboka mikoriana ho azy eo amin'ny fiainantsika ny fifaliana! đ
Ry namako, tsy an-tery izany fa fanasana feno voninahitra! Avelao Izy hameno ny fonao mandritra ity tontolo andro ity, ka tsy ho voatananao intsony ny fanirianao hidera Azy amim-pifaliana!
Tena tiany ny fiderana amin-kitsimpo sy tsy misy fepetra⊠ary ny tena fitahiana ho an'ny fiainanao izany!
Eny, atsaharo ny fiderana sy ny fanandratana ny olanao! Fa tongava mihira sy mitsaoka anâIlay efa nanome anao ny fandresena ny olana. Tsy misy zavatra tsaratsara kokoa afaka ataonao mihoatra izany anio!
Fahagagana ianao!

