Aza atao tsinontsinona ilay pitik’afo efa ao aminao !
“Tsy misy dikany aho, tsy mahavita na inona na inona, tsy misy toerana ho ahy eto amin’ity fiainana ity.”
Ireo ve no eritreritra mandalo ao an-tsainao ? Indrindra rehefa mieritreritra ny iraka natolotr’Andriamanitra anao ianao, dia ny hilaza Azy amin’ny hafa ? Dia tampoka eo, tonga ny alahelo ao am-ponao ?
Tsy tokony hanana toerana eo amin’ny fiainanao ireo teny ireo. Andriamanitra ve miara-miasa amin’ny lehibe sy ny mahery ary ny tena manan-tsaina ihany ?
“fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy” (1 Korintiana 1:27-28)
Tena tsara be izany e ? 😎🆒
Midika izany fa mahita zavatra ao aminao Andriamanitra, izay mbola tsy hitan’ny olona !
Ary efa misy io pitik’afo io ! Jereo i Josefa… Nampahorian’ny rahalahany mafy izy. Voasoratra hoe :
“Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.” (Genesisy 37:4) Ary nony farany, dia namidiny mihitsy izy ! 💰
Raha ianao no teo amin’ny toerany, mbola hino ve ianao fa maniry ny hahasoa anao Andriamanitra ? Angamba tsia…
Fa nisy io pitik’afo io… ✨ ilay pitik’afo marina : efa nahita zavatra manokana tao aminy ny rainy hatrany am-piandohana ! (jereo Genesisy 37:3). Ary i Josefa dia NIFIDY ny hifikitra amin’izany fahamarinana izany, na dia tsy hitan’ny masony intsony aza !
Tiako be io fehezanteny ao amin’ilay hira hoe “Mbola miaina aho” :“Na eo aza izany rehetra izany, mifikitra amin’ny mandrakizay aho.” 🙌🏻
Fantatrao ve fa pitik’afo ✨ iray monja dia afaka mampirehitra ala iray manontolo, ? 🔥 Koa nahoana ianao anio no tsy hahatsiaro indray ilay “pitik’afo tsara” efa niainanao niaraka tamin’Andriamanitra tany aloha ? Mifikira amin’ny fahamarinana - satria avy amin’izany fahamarinana izany no hipoiran’ny fahamasinana !
Rehefa mitana mafy ilay pitik’afo isika, dia afaka miseho amin’ny alalany Andriamanitra.