• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 6, 2023

๐Ÿ‘€ Aza adinoina izany!

Andro namoahana Okt 6, 2023

Efa nisy fotoana ve ianao nanadino fotoana lehibe iray teo amin'ny fiainanao?Nitsidika an’i Lazarosy sy ny anabaviny i Jesosy. Raha niaraka teo izy ireo dia nanana fahafahana handany fotoana tsy hay hadinoina niaraka tamin’i Jesosy. Kanefa i Marta dia variana lotra tamin’ny fikarakarana mba hahatonga lafatra ny zava-drehetra ho an’i Jesosy, hany ka saika hadinony ny fanatrehan’i Jesosy! “ Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.” ( Lioka 10:41-42).Amin’izao vanim-potoana misavorovoro izao, izay hiezahan’ny Malagasy amin’ny fomba rehetra na tsara na ratsy mba ho tafavoaka; dia ampifantohy amin’ny Tompo ny herinao. Izy no ho ampinga sy mpiaro anao. Ampifandraiso amin’ny tokony ho izy ny fiainanao fa Izy hamatsy. Manana fahazarana mihazakazaka etsy sy eroa isika, maniry mba ho velona, hany ka manadino ny zava-dehibe indrindra, ilay loharanon’aina dia i Jesosy. Amin’izao savorovoro izao, mifikira Aminy ary mandehana amin’ny fiadanana.Ry namako, aza avela hanakana anao amin'ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainanao ny adin-tsaina: ny fiarahana miaraka amin'i Jesosy. Ary ao Aminy, miaraka amin’ireo olona napetrany eo amin’ny fiainanao. Mivavaka aho amin'ity andro anio ity, mba hahitanao fitsaharana ao amin'ny fiadanan'ny Tompo. Alamino izay laharam-pahamehana aminao, mba am-pitoniana no hanaovanao ny ataonao rehetra, amin'ny fo toy ny ho an'ny Tompo.Anio, ankafizo ny antsipiriany rehetra vitanao nandrindra ny tontolo andro.

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.